13:00 > Rivo Rakatovao – Miomana ho filohan’i Madagasikara amin’ny 7 septambra

Nanao fanambarana tetsy amin’ny Hotel Carlton Ampefiloha omaly ny Filoha nasionalin’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara na HVM, Rivo Rakotovao.

Nolazainy tamin’izany fa mametra-pialàna amin’ny fitarihana ity antokon’ny fitondrana ity ny tenany. Araka ny fanazavany dia fandaminana anatiny ao amin’ny antoko no anton’izany. Mijanona ho mpikambana tsotra ao anatin’ny antoko ihany ny Filojhan’ny Antenimierandoholona araka ny nambarany ary tsy manam-pahavalo na iza na iza ao anatin’ny antoko izy. Noho izay antony izay, hisy ny fifidianana nasionalin’ny antoko HVM vaovao tsy ho ela.

Raha ny fanadihadiana sy fandalinana politika, ny dikan’izao fametraham-pialan’ny filoha nasionalin’ny antoko HVM izao dia efa miomana ny handray ny toeran’ny filoham-pirenena mpisolo toerana izy amin’ny maha-filohan’ny Antenimierandoholona azy, rehefa hametra-pialana ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny 7 septambra ho avy izao. Ny dikan’izany koa dia hirotsaka ho kandidà filohampirenena tokoa ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina, na dia ambany dia ambany tokoa aza ny fitiavan’ny vahoaka Malagasy azy ankehitriny. Noho ireo tsy  fahombiazana samihafan’ity fitondrana antoko HVM ity, na manao di-doha miseho ho mitokan-javatra etsy sy eroa aza Rajao dia tsy tafa mihitsy hoy ny mpandinika politika.

Miha-malemy ihany koa ity antoko ity ankehitriny satria misintaka tsikelikely aminy koa ireo mpikambana heverina ho lehibe tao aminy teo aloha, toa an-dry Paul Rabary, ry John Elite,… mbola ho avy ihany koa ny hafa mbola hiala satria samy tsy te ho tratra farany eo!

Isambilo