Magro Behoririka – Sabotsy 4 aogositra amin’ny 2 ora – Antso ho an’ny mpitolona

Mbola faly miarahaba antsika rehetra mpomba sy mpanaradia ary mpankasitraka an’i président Ravalomanana Marc tsy ankanavaka e.

Iangaviana isika rehetra mpitolon’ny Magro hatramin’ ny fiandohana ka hatramin’ izao, mba samy hamonjy ny fivoriana tampoka izay hataontsika eny amin’ ny kianjan’ ny magro Behoririka izao sabotsy 04 aogositra 2018 ho avy izao amin ‘ ny roa ora hariva tsy diso, fa hisy toromarika sy vaovao lehibe hifampizarana momba ny fifidianana hatrehantsika tsy ho ela.

Samia mifampilaza fa zava-dehibe tsy hay kosehana ny fanotronantsika miaraka amin ‘io fotoana io.

“Ny tonga miaraka dia fanombohana fa ny miasa miaraka no fahombiazana”.

(FB Stanislas Zafilahy)