06:15 > Indostria – Hametraka tanora vanona isika hoy ny minisitra Guy Rivo 

Helisoa

Nihaona  tamin’ireo mpandraharaha  sinoa mipetraka any Dubai ny minisitry ny indostria Guy Rivo Randrianarisoa ny faran’ny herinandro teo.

Taorian’izany, nisy ny fampiofanana ireo tanora  mpianatra tao amin’ny Oniversite tsy miankina maromaro,  nifanakalo hevitra sy nampiofana azy ireo. Nanambara ny minisitra fa mandalo iray andro monja ireo tanora sinoa 12, namorona zavatra maro lehibe tany Chine ary lasa mpanefoefo  dia lasa  mipetraka sy mandraharaha any Dubaï indray ankehitriny. Isan’ny namorona ny weChat, alibaba ny sasany tamin’izy ireo.

Niantso sy nanasa tanora Malagasy maromaro izahay niaraka amin’i Ny Rado Rafalimanana, nifanakalo hevitra tamin’ireto vahiny nahavita zavatra ireto. Tonga nitantara ny lalana nandalovana sy ny asa mafy natrehany vao tonga amin’izany hoe tafita izany.

Anareo i Madagasikara hoy izy ireo, fa tsy izahay indray no hanao tompon-tany eto aminareo. Mila saro-piaro amin’ny fanananareo ianareo. Raha te ho tafita ianareo tanora dia havadiho asa ny nofinofy ary hataovy mialohan’ny rendrarendra ny asa.

Miasa mafy, miasa tsara, izay ihany no maha tafita anareo, hoy izy.