13:00 > Paul Rabary, Onitiana Realy,…

Miala tsy ho mpikambana ao amin’ny HVM intsony i Paul Rabary, raha ny nambarany tao amin’ny serasera FB. Onitia Realy etsy ankilany nanadio tena tao amin’ny fandaharana TV PLUS. May volon-tratra ny ekipan-dRajao ka samy mikatsaka ny hanadio lamba sy hikendry haka ny fon’ny vahoaka amin’ny fomba hafa indray.
Mibaribary ny amin’i Rabary fa dia isan’itony tsy manana fotokevitra pôlitika mijoro fa mitady tany malemy hanorenam-pangady fotsiny. Ny an’i Onitiana indray dia tsara lesona ka mampiesona. Afa-po eo amin’ny asa vitany izany ary miaro an-dRajao kely fa tsipazan’olona hoditr’akondro hono. Ntsôô!
Ny ventiny azo tsoahina dia ny filentehan’ny sambo HVM, izay antoko tsy mikajy afa-tsy ny fihazoam-pahefana sy fanangoronan-karena ho an’olom-bitsy.
Tao anaty izay dimy taona izay dia azo tsapain-tanana raha nisy tokoa ny fikatsahana tombontsoa ho an’ny be sy ny maro. Mazava toa ny vay an-kandrina fa ratsy tantana ny firenenana, gaboraraka, kolikoly, fandriam-pahalemana, fari-piainana, fanabeazana,sns… tsy hay ho tanisaina.
Ka iza no soavaly manaraka ho taingenan’izy ireto?