Rajao sy ny ekipany – Tsy hadio lamba amin’ny vahoaka intsony

Sôh’son

May volon-tratra ka tadiavina avokoa ity izay hirika rehetra hisehoana fa tena miasa ary mitsinjo vahoaka Rajaonarimampianina Hery sy ny ekipany ao anaty Hvm. Na izany mankany amin’ny toerana samihafa sy sehatra isan-karazany izay azo isehoana rehetra na ireo olona fidiana horaisina eny an-dapa. Ny tanjona ao anatin’izany dia tsotra, ny hanadio lamba sy mikendry haka ny fon’ny vahoaka. Rehefa tazanina anefa, indrindra amin’ireny fotoana samihafa isehoany imasom-bahoaka ireny, dia hita miharihary, fa lavitra azy amin’ny ankapobeny ny vahoaka. Raha refesina amin’ny fomba fanao fitsapana na “sondage” ireny dia fantatra avy hatrany fa ho ambany ny taha ho azony miohatra amin’ny hafa izay mety ho mpifaninana aminy. Ny vahoaka rehefa manakifika mpitondra izay dia tsy miverina intsony iny, na misy politika maty paika na izay fomba rehetra atao aminy eo. Ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy dia mamantsika ao andohany fa Rajaonarimampianina sy ny ekipany dia tsy nifofotra afa-tsy izay tombontsoany aloha vao ny hafa na ny vahoaka. Leo ny resabe sy fampanantenana poak’aty hatramin’izay niakarany teo amin’ny fitondrana ny Malagasy. Sorena sy marary fo izy amin’ny fakàna an-keriny ny taniny ataon’ny mpanambola, kanefa tsy nahitana teny na dia kely monja ny amin’izany ny filohan’ny Repoblika ity. Oviana ny fitondrana no nametraka ho laharam-pahamehana ny zava-dehibe tena marary amin’ny Malagasy, dia ny vaky fasana sy halatra taolam-paty? Tsy nisy, fa mody izay mpangalatra kely ihany no tratra, fa ny trondro vaventy sy ny ati-doha amin’io raharaha maizina io tsy re, tsy fantatra sy tsy hita an-taonany maro izay. Ny famahana olana ny resaka sosialim-bahoaka efa iaraha-mahita rahateo, fa kely endaka tsy mahita mangirana amin’izay vahaolana ny fitondrana. Ny fifidianana sisa no hany ifaharana mafy sy anaovana teny tsara lahatra kanefa ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka aza tsy mbola mipetraka akory. Tsy resaka mandeha isan’andro ve ny hoe tsy niova ny Ceni ary sarotra ny hatoky azy? Olona notendren’i Hery Rajaonarimampianina mantsy ny ankamaroany, ary tsy nisy ny fanovàna. Fandrebirebena vahoaka fotsiny ny amin’izay mety hisian’ny mpanara-maso na eto an-toerana na avy any ivelany fa izay tompon’ny laka ihany no manoritra izay ho fivoakany eo. Efa fahita teto izany ka tsy hisy azo hofitahina eo. Tsy hita mihitsy koa izay finiavan’ny fitondrana hiroso amin’ny fanovàna mazava izay notakian’ny vahoaka teny an-kianja, fa odiana manao zavatra hafa hanodinana ny sain’ny vahoaka fotsiny no atao eto amin’izao fotoana izao. Tsy hadio velively ny lamban’ny fitondrana noho ireny sehon-javatra maro samihafa ireny, ary indrindra ny zava-nitranga tamin’ny 21 Aprily, mbamin’ny nitranga vao tsy ela izay teny amin’ny Polytechnique Vontovorona nanaovana herisetra ny mpianatra ireny. Hita ho miha miverina io fomba fiasa ratsin’ny fitondrana Rajaonarimampianina io ary handoto hatrany ny lambany. Ho very maina sy lany andro fotsiny, ary ho diso kajy…