16:15 > Fanadiovana faobe – Boriboritany-III

Mitohy hatrany ny hetsika fandaminana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ho fanatsarana sy fampandrosoana ny tanàna.

Ny maraina teo dia nanao fandaminana an’ireo mpivarotra amoron-dalana indray ny kaominina Antananarivo renivohitra, ka nanomboka tetsy Soarano hatrany amin’ny tetezan’ny Behoririka izany, ka ny ekipan’ny Boriboritany-III, izay notarihan’ny Delegen’ny Boriboritany fahatelo Rado Andriamamonjisoa no nanao ny asa tamin’izany.