16:30 > Fanadiovana faobe – Tetikasa “Fokontany madio”

Natolotra androany ireo loka ho an’ny fokontany mendrika indrindra tao anatin’ny tetik’asa “fokontany madio”, izay tsiahivina fa fifaninanana isa-pokontany teo anivon’ny boriboritany faha 4 nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rano . Borety miisa 32, ary fokontany 19 no nahazo ny anjarany. Tsara homarihina moa ireo RF2 ao anatin’ny fokontany, izay tena miasa be no nahazo ny fitaovana. Ny RF2 voalohany nahazo borety 6, ny RF2 faharoa nahazo borety 4, ary ny RF2 fahatelo nahazo borety 2. Natao izao mba hanomezana lanja ny RF2, ary indrindra mba hamporisihana ireo mpikambana handray andraikitra sy ho matotra arak’asa, mba hitsinjovana hatrany ny mponina.