16:00 > Fanadiovana faobe – Nangataka ny mponina, nandray andraikitra ny CUA na dia tokony ho sahanin’ny APIPA

Nitohy androany maraina ny fanadiovana faobe nataon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra teny Ilanivato boriborintany faha 4 . Ny ESA na ny (Equipe Spécialisée en Assainissement) no nanatanteraka ny asa tamin’izany. Noho ny fahitan’ny ben’ny tananan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana fa maloto iny tanàna iny sy noho ny fangatahan’ny mponina eny antoerana dia nandray andraikitra avy hatrany ny teto anivon’ny CUA nanadio, na dia fantatra aza fa andraikitry ny APIPA tanteraka ny fanadiovana ny canal andriantany mandalo amin’iny toerana iny. Araka izany nanadio sy nanala ireo fako sy tsikafona izay hita nitoby tao anatin’ny tatatra izy ireo androany.