14:00 > Boriboritany I – Fitaizana ny ankizy amin’ny fanatanjahantena

Nanampy ireo ankizy mpanao baolina eto amin’ny fokontany Atohomadinika centre ny filohan’ny DisTim boriboritany voalohany Rakotomamonjy Philippe. Natao izao ho fitaizana ireo ankizy mba tsy hirona any amin’ny zavamahadomelina. Nisy ny fanomezany baolina sy kilalao mba hialan’ireo katita kely mpanao baolina amin’izao fialantsasatry ny mpianatra izao.