Isambilo

Nanatrika ny fanamarihana ny fetim-pirenena Frantsay teny amin’ny trano fonenan’ny Ambasadaoro eny Ivandry ny sabotsy teo ny Filoha Marc Ravalomanana, Filoha Nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), nahazo fanasana tamin’izany lanonana izany ny tenany. Tamin’io fotoana io koa no nanararaotan’ny mpanao gazety nametraka fanontaniana taminy mahakasika ny raharaham-pirenena. Nambarany tamin’izany fa efa vonona hatramin’ny ela ho amin’ny fiatrehana ny fifidianana izy sy ny antoko TIM, ny KMMR ary ireo rehetra tsy ankanavaka mpanohana azy.
Efa tafaresaka tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena eto amintsika ny tenany, nambaran’izy ireo hoy i Dada fa vonona ireo vahiny hanampy antsika amin’ny fanatanterahana fifidianana, na izany aza hoy izy tokony hanana fanamby hatrany isika ary vonona aho hoy izy ny hamerina ny hambompo maha-Malagasy. Momba ny tsy fandriampahalemana miseho lany ankehitriny, ny kidnapping,… tena mampalahelo izany toe-javatra izany hoy ny Filoha Marc Ravalomanana ary tokony hitadiavan’ny fitondram-panjakana vahaolana matotra sy maharitra.