Olana etsy eroa, fanalana ireo ministra HVM no vahaolana

Rina Rabemananjara

Sempotra ny fahitana ny fanjakana amin’izao fotoana izao satria mipoitra daholo ny karazana olana kanefa tsy misy voavaha. Olana etsy, olana eroa!
Ny tena marina dia azo natao tsara ny nisoroka ireny olana ireny saingy be loatra ny miseho ho mahay ao andapa ao dia izao no vokany. Raha toa ohatra ka natsangana araka ny tokony ho izy ny Governemanta ankehitriny izany hoe nanaraka ny antsakany sy andavany ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) dia tsy ho toy izao ny rivotra politika eto amin’ny firenena. Raha ny firafitry ny Governemanta ankehitriny tokoa mantsy dia mbola ahitana Ministra maro avy amin’ny Hvm izay antoko tsy nanana kandida Solombavambahoaka tamin’ny fifidianana. Ny fisian’ireo Ministra Hvm ireo no anisan’ny tsy mampandeha ny raharaha eto amin’ny firenena. Raisin’ireo mpanao fitakiana ho fanambaniana azy ireo mantsy ny mbola nanendrena Ministra Hvm .
Raha toa àry ka hamaha olana dia tokony hisy ny fanamboarana ny mpikambana ao anaty Governemanta ka esorina daholo ny Ministra Hvm . Raha izay no mitranga dia tsy hisalasalana fa hidina farafaharatsiny ny marimpana eo amin’ireo mpanao fihetsiketsehana. Hatramin’izao anefa dia tsy hita taratra izany fanamboarana ny mpikambana ao amin’ny Governemanta izany. Isak’izay anontaniana ny mpitondra dia milaza fa ny fanatanterahana ny fifidianana no tena imasoan’izy ireo satria izay no iraka goavana asaina ataon’ny Governemanta Ntsay. Tsy misy mandà izany saingy tsy midika izany fa ho atao anjorom-bala ny fiainam-bahoaka. Mbola olana tsy voavaha ny an’ny mpitatitra , olana ny an’ny mpampianatra , olana ny an’ny eny amin’ny Oniversite Ankatso sy ny maro tsy voatanisa…
Etsy andaniny , efa nandray ny vola fanampiana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana ny amin’ny hikarakarana ny fifidianana, izany hoe tsy afaka miala intsony satria efa nandray vola hanatontosana izany fifidianana izany; ny volan’ny avy any ivelany rahateo tsy azo hanaovana mandidy dia homana fa hampiasaina amin’ny fifidianana sady misy rahateo ny mpanaramaso vahiny. Matoa ny solontenan’ny Pnud no nandray ny vola fanampiana avy amin’ny Vondrona Eropeana hanatontosana ny fifidianana dia tsy mahatoky ny hitantanan’ny Malagasy samirery izany vola izany ny vahiny. Efa malaza mantsy isika Malagasy amin’ny fanaovana lava tanana rehefa mahita vola.
Sahirana Rafanjakana satria tsy voavahany ny olana izay miitatra hatrany. Ny mampalahelo amin’ity raharaham-pirenena ity dia ny vahoaka hatrany no mpizaka ny vokatry ny tsy fahaizana sy ny faharatsian-toetran’ny sasany , izay no marina, sa ahoana hoy ianao ?