Edito 7 Jolay 2018 – Tsy voajery ny fahasahiranan’ny mponina andavanandro

Sôh’son

Saika variana any amin’ny lafiny politika tanteraka ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana izao. Miompana mandrakariva amin’ny resaka fifidianana no imasoany isan’andro miaraka amin’ny governemanta Ntsay Christian. Izany no ifotoranny tompon’andraiki-panjakana. Ny fidangan’ny vidim-piainana anefa tsy mitsaha-miakatra andro aman’alina tsy miandry izay hisiana na tsia izany fifidianana izany. Maro amin’ireo sakafo filan’ny mponina fanjifany isan’andro no lafo vidy. Tsy mihinana sakafo manaraka kalitao sy ampy amin’ny habetsahana intsony ny vahoaka. Firy isan-jaton’ny Malagasy sisa, ohatra, no mba mihinana atody noho ny halafony? Ny vidin-kena, ny vary, mandainga izay milaza fa mihamora ny vidiny; ny saribao handrahoan-kanina midangana ny vidiny; ny vidim-panafody sy saram-pitsaboana mampiteny ny moana; ny saram-pianarana efa mampilofika ireo ray aman-dreny maro, sns...

Tsy mahamaika ary tsy ifotoran’ny fitondrana izany, fa resaka politika sy ady seza sy tombontsoa no laharam-pahamehana. Tsy sarotra ho an’ny fitondrana ny hitady vola rehefa ho amin’izany, fa rehefa ho amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka matetika ihodinkodinana. Tsy mampiraika ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina ny faharefoana ara-tsakafo sy ara-pahasalaman’ny vahoaka Malagasy efa nandritra ny taona maro izao. Hampanofinofisina zavatra tsara fotsiny ilay vahoaka dia atao rorono an-tavy ny fomba hanatanterahana na hanatratrarana azy. Efa tsy misy intsony anefa fifampitokisana ary ny vahoaka no tena tsy matoky intsony ny mpitondra noho izay kabary resabe sy fampanantenana poak’aty natao azy hatramin’izay. Tsy hita soritra ho vonona haingana amin’ny famahana ny olana ara-tsosialim-bahoaka ny fitondrana. Ny mahamaika azy dia ny mandaroka baomba lakrimôzena ny mpanabe sy mpampianatra fa manohintohina ny sezany. Manasoa bebe kokoa ny vahoaka noho izy anefa ireo. Ka raha ny mpanasoa ny vahoaka indray no poretina sy darohana fa tsy mitady izay fomba azo atao rehetra hamahana ny olana na ny fitakiany inona no antenaina amin’izay tompon’andraikitra sy fitondrana eto?  Dia ny vahoaka hatrany no mifafa ny kihony eto hatramin’izao. Ampy izay fanaovana an-tandrevaka ny fiainam-bahoaka izay sy ny fampahoriana azy.