Edito 5 Jolay

Sôh’son

Samy nanao izay vitany ireo sendikà Malagasy misy eto amin’ny firenena tato ho ato na tamin’ireo raharaha nafampana, izay zary lasa raharaham-pirenena mihitsy, na ireo fitakiana sosialy samihafa efa antom-pisian’ny sendikà. Efa azo atao ve ny manao tombana ny vokatry ny ezak’ireo? Mitàna ny sain’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ankehitriny ny amin’ny hisian’ny fanadinana na tsia noho ny fitakiana ataon’ny sendikàn’ny mpampianatra. Efa nitsefotra aloha ny fanadinanan ara-panatanjahantena ho an’ny mpiadina Bepc ary tsy fantatra na rahoviana indray no hamerenana azy. Hetsika azo lazaina ho nahomby ve izany sa tsia? Iaraha-mahalala aloha, fa tsy izany velively no tanjon’ireo mpampianatra raha manao hetsika izy ireo. Iza no omen-tsiny ny mpampianatra sa ny tompon’andraikitry ny fampianarana sy ny mpitondra fanjakana? Tsy tokony hohadinoina anefa, fa zary vanja milevina eto amin’ny firenena any aoriana ny fikorontanan’ny fampianarana sy ny fanabeazana omena ireny ankizy sy zaza Malagasy ireny. Ankoatra ny sehatry ny fampianarana dia maromaro ireo sendikà manao hetsika fitakiana. Ao ireo mitaky ny fialan’ny ministra izay tsy mety aminy izay notendrena hiasa eo anivon’ny ministerany. Ny sasany mitaky ny fialan’ny tompon’andraikitra ambony amin’ny orinasany; eo koa ny fitakiana fanafoanana rafitra natsangana eo anivon’ny orinasa iasàny; ny hafa mitaky ny hamoahana ny raharaham-pitsarana tokony hotanterahina noho ireo fihetsika mamohehitra nataony teto amin’ny firenena, sns… Maro ny fitakiana sendikaly. Ahoana anefa ny vokany hatreto? Raha atao jery ankapobeny, ny fahitana ny raharaha, dia ampahany kely ihany amin’ny fitakiana nataon’izy ireo no mba nivaly kanefa dia tsy mahafapo ihany koa. Midika fa tsy voavahan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny fitakiana nataon’izy ireo, mba tsy ilazana fa tsy namakiany loha. Efa nisy mantsy aman-taonany izao no efa nanao fitakiana, ary mbola mitohy ihany izany mandraka ankehitriny. Kely hery ve ny sendikà Malagasy amin’ny fitakiana izay ataony sa ny fomba fiasany no misy tsy mety, hany ka zara raha mihaino azy ireo ny tompon’andraikitra mahefa. Nambara fa hanao hetsika lehibe izy ireo rahampitso zoma izao ka ho hita eo indray ny fampisehoan-kery ho ataon’izy ireo. Singa iray lehibe ilain’ny firenena amin’izao toerana misy azy izao ny sendikà. Ny fisian’ny sendikà matanjaka dia tena zava-dehibe mitondra vaika ho amin’ny fampandrosoana ny firenena.