Nouakchott – Tsy noraharahian’ny Afrikana Rajao

Ny Valosoa

Very n’aiza na aiza Rajao, na ny Filoha Hery Rajaonarimampianina, izay no  azo amintinana ny fivoahana nataony tany ivelany tamin’ny herinandro teo ary nitohy tamin’ity herinandro ity. Tany Nouakchott renivohitr’i Mauritanie nanaovana ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikana dia tsy nahazo fitenenana tany ny Filoha Malagasy, nefa filohan’ny Francophonie am-perinasa izy amin’izao fotoana, no filohan’ny Comesa na ny Vondron’ireo firenena aty amin’ny faritra Atsinanana sy Atsimon’i Afrika ihany koa. Tany Rome renivohitra Italiana ihany koa, tsy tazana mihitsy ny Filoha Malagasy nandritra ny fametrahana tamin’ny toerany ireo kardinaly miisa 14  tamin’ireo haino aman-jery lehibe eran-tany, nefa anisan’ny napetraka tamin’izany ny kardinaly Malagays Desiré Tsarahazana. Tsy nisy Filohampirenena na lehibena governemanta niatrika izany, fa ny Filoha Hery Rajaonarimampianina mivady no nisosososo toy ny vinanto tsy nahare fosa tany, ary tsy mba nahazo fitenenana koa ny tenany tany. Raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy aza dia nahazo kapoka tany amin’ny Vatican ny tenany satria efa hita tato ho ato fa azo lazaina ho ratsy ny fifandraisana teo amin’Iavoloha sy ny Ekar raha ny eto Madagasikara no jerena, kapoka izay natao mba tsy maintsy hialany amin’ny 7 septambra ho avy izao satria raha ny tena marina dia efa tokony hiala izy fa navotan’ny HCC noho ny fanitsakitsahana Lalampanorenana, izay efa neken’ity Fitsarana avo ity fa nanao izany tokoa ny Filoha Malagasy. Tany Nouakchott, nilaza ny haino aman-jerim-panjakana fa nahazo dera tamin’ny Vondrona Afrikana hono ny Filoha Malagasy satria nanaiky ny Praiministra ny marimaritra iraisana, ny fahitana izany aza dia fanesona ny Filoha Hery Rajaonarimampianina satria very ny fahefany, very n’aiza na aiza izy…