15:30 > Raikitra indray ny lacrymogène – Vao maika miantsy ady amin’ny mpampianatra indray ny fanjakana

Tsy mahagaga ny fanamparam-pahefana sy fanehoan-kery ataon’i Horace Gatien, ministry ny fanabeazam-pirenena. Manaja ny maha-HVM azy izy. Raha nanaja ny ‘clé de répartition’ ny PM Ntsay sy nanadio ny HVM tao amin’ny governemanta dia nisy fanantenana kokoa ny hilamina ny tany. Tsiahivina fa atsasany mihoatra ny ministera azy ireo, izany hoe tsy voahaja ny didin’ny HCC.

Tsindry sy antsonjay no mahazatra an’i Rajao sy ny forongony, ka mbola hita mibaribary indray fa miverina ny fahazarana.

Mila fongorina ifotony ny homamiadana naparitaky ny HVM eto amin’ny tany sy ny firenena.

Mpampianatra no hiadivana kanefa firifiy ny traboina sy maty noho ny afitsoky ny dahalo.

Rariny loatra raha mitohy ny fitokonana sy fitakiana eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey. Mbola tsy maty voalavo an-kibo i Rajao sy ny forongony.