12:00 > Ceg Analamahitsy- EPP Behoririka-Soarano – Tsy nivarotra ary tsy hivarotra tany izany ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA)

Isambilo        

Manoloana ny sahoan-dresaka niniana naely mahakasika ny famarotanan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny  tanin’ny CEG etsy Analamahitsy dia mazava ny valin-teny avy amin’ny fiadidian’ny CUA fa tsy misy idiran’ny Kaominina ny momba ny CEG. Mahakasika ny EPP etsy Behoririka indray  izay misy manangana fefy eo amin’ny faritry ny EPP dia nazava ihany koa ny valin-teny avy amin’ny CUA fa voatery natsahatra io fanorenana fefy io satria tsy mazava ny antonantony ara-dalàna nanaovana izany, izay marihana fa efa tamin’ny fotoan’andron’ny PDS tany aloha no nisian’ny fifampiraharahana , araka ny fanadihadiana. Handray fe-petra manoloana izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Mahakasika ny EPP Soarano indray kosa dia mazava tsara sady  mangarahara ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny CUA sy ny Ministera misahana ny fanabeazam-pirenena ary ny sekoly, miaraka amin’ny solontenan’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra. Tsy nivarotra ary tsy hivarotra tany izany ny CUA hoy ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna, kolonely Emilien Ramboasalama. Marihana ary hamafisina hatrany  fa tsy afaka  mivarotra ary tsy mivarotra fotodrafitr’asa toy ny sekolim-panjakana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny miaro sy manatsara izany ho fanasoavana  ny zana-bahoaka aza no katsahany hoy ihany ny lefitry ny ben’ny tanàna. Momba ity raharaha ity, misy Radio tsy miankina minia manely vaovao tsy marina eto, na tsy mba manao fanadihadiana amin’ny tompon’andraikitra akory izy ireo, fa tonga dia mamoaka fahatany fotsiny ny vaovao izay tsy nohamarinina.