Inona no antony mandrisika ny olona hirotsaka ho Filohampirenena?

Rina Rabemananjara

Tsapa sahady ankehitriny fa ho maro ireo hirotsaka ho kandida amin’ny fifidianana Filohampirenena amin’ny 7 Novambra 2018. Rehefa mihoatra ny 10 mantsy dia efa betsaka izay amintsika. Raha ny fifidianana Filohampirenena farany tamin’ny taona 2013 ohatra dia nihoatra ny 30 ny kandida ary tsiahivina fa nisy tamin’ireny kandida ireny no tsy afaka nirotsaka noho ny antony isan-karazany. Manoloana izany fahabetsahan’ny mpirotsaka ho fidiana izany indrindra dia mipetraka ny fanontaniana manao hoe : fa inona no antony manosika an’ireny olona ireny hirotsaka ho fidiana ho Filohan’ny Repoblika? Ao ny milaza fa manana programa maty paika ho entina manatsara sy mampandroso ny firenena ho amin’ny tsaratsara kokoa, ao kosa ny miteny fa te-hametraka tantara eto amin’ny firenena fa efa nirotsaka ho fidiana Filohampirenena, ao indray ny milaza fa noho ny fahitany ny fahantran’i Madagasikara ka hitondra vahaolana hamahana izany fahantrana izany, ao kosa ny miteny fa noho ny fitiavan-tanindrazana. Fa misy anankiray tsy misy sahy miteny kanefa matetika mitranga amin’ny tany mahantra toa an’i Madagasikara dia ny faniriana te hanankarena tampoka. Ny ankamaroan’ny olona avy teo amin’ny fitondrana mantsy dia lasa dongadonga daholo  sady lasa nanana fiara raitra sy trano be eto Antananarivo. Raha ny tokony ho izy dia manompo vahoaka ny mpitondra fa tsy tompoina araka ny voalazan’ny Lalampanorenana. Matetika dia toy ny anjely latsaka an-tany ny kandida rehefa mandritra ny fampielezan-kevitra, lasa mitsikitsiky ilay olona vinitra hatramin’izay satria te hahazo ny vaton’ny vahoaka. Tsy azo ambakaina intsony ny olona amin’izao fotoana izao fa efa fantany ny tokony hataony. Ilaina ny fanajana lalàna  saingy misy ny kandida sasany efa manao propagandy sahady miaraka amin’ny fizaram-bola etsy sy eroa sy ny famalifaliana ny vahoaka amin’ny alalan’ny artista . Ho hita eo izay ho tohiny fa tsy azo fitahana amin’izany intsony ny vahoaka Malagasy , na izany aza, samia mailo hatrany, sa ahoana hoy ianao ?