Mpampianatra ao Vakinankaratra – Hanao hetsika goavana amin’io herinandro io

Solohery

Raikitra ary mbola mitohy ary hihamafy ny fitokonan’ny mpampianatra ao Vakinankaratra ao, na nisy aza ny antso avo nataon’ny Filohan’ny Repobilika sy ny Praiminisitra, niantso ny mpampianatra hiverina hampianatra. Namaly bontana izany ny sendikan’ny mpampianatra ao Vakinankaratra ka nanambara fa: “Ataovy tonga any am-paosin’ny mpampianatra avokoa, tahaka ny natao tamin’ny mpitatitra aloha ny tombontsoan’izy ireo dia hiverina hampianatra ihany koa izahay”, hoy ireo mpampianatra. Nidina an-dalambe tao Antsirabe ny andron’ny Zoma 29 Jona teo, niala teo amin’ny biraon’ny Dren nihazo ny biraon’ny Cisco, saingy tsy nahita mpiasa tao intsony, ka nanao fanambarana fa hanao hetsika goavana amin’io herinandro miditra io izy ireo. Nambaran’Andriamatoa Raparison Antsamahery, mpitondra tenin’ireo sendikan’ny mpampianatra fa mbola fampanantenana poak’aty no nataon’ny Praiministra ka raha tsy mivaly sy azon’izy ireo izany tsy hampianatra izy ireo. An’ny tompon’andraiki-panjakana, manomboka amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ny tsiny satria izy ireo no tsy mamaly ny fitakian’ny mpampianatra, fa ny an’ny hafa efa voavaly avokoa. Hanao hetsika goavana, hidina an-dalambe izy ireo ny herinandro hiditra io mba ho fanta-bahoaka ny fitakiana ataony, raha mbola manampin-tsofina ny fitondram-panjakana. Efa mananika ny faha-3 volana izao ny fitokonan’ny mpampianatra tao Vakinankaratra ary efa manangam-bovona tanteraka ny ray aman-dreny nohon’ny tahotry ny tsy hisian’ny fanadinam-panjakana. Marihina fa hisy fandraisana anarana ataon’ireo mpitarika ny fitokonana ho an’ireo mpampiantra tsy tonga amin’io hetsika goavana io.