Edito 30 Jiona – Mbola mandrahona hitokona 72 ora ny mpitatitra

Isambilo

Azo lazaina fa nahomby ny fitokonana fanairana nataon’ny mpitatitra nandritra ny 1 andro teto an-drenivohitra tamin’ity herinandro ity. Tena sahirana kosa anefa ny mpanjifa tamin’iny hetsika nataon’izy ireo iny satria tsy vitsy no nandeha an-tongotra an-kilometatra maromaro nandeha namonjy asa, na nandeha nianatra ihany koa. May volo-tratra ny fitondram-panjakana noho iny fitokonana fanairana nataon’ireo taxi-be mivondrona ao amin’ny UCTU sy ny UCTS iny ka nilaza fa efa vonona hono ny vola fanampiana na subvention omena ireo mpitatitra, fa mila manaraka ny bokin’andraikitra na ny cahier de charge ireo mpitatitra ireo. Mbola tsy tena mivaha tanteraka izany olana izany hatreto satria izao indray dia mbola mandrahona hitokona mandritra ny 72 ora na 3 andro ireo mpitatitra eto an-drenivohitra, raha tsy mivaly amin’ny antsipiriany ny fangatahan’izy ireo. Ny dikan’izany dia mbola manjavozavo ny fampanantenan’ny mpitondra fa mbola mitohy ihany ny fampiesonana satria tsy hampitandrina intsony ireo mpitatitra raha efa tena mivaha ny olana. Hatreto dia mitombina ny fanamarihan’ny maro fa fitondram-panjakana tsy mahavaha olana ny governemantan’ny Praiministra Ntsay Christian, ny ministra tompon’andraikitry ny fitaterana rahateo dia anisan’ireo ministra HVM tsy tokony hiverina ao anatin’io fitondram-panjakana io intsony, raha tena ampiharina ny didy navoakan’ny HCC na ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorena tamin’ny 25 mey lasa teo. Tsy maintsy hipoaka ihany ny sarom-bilany raha izao satria ny sehatra hafa dia tsy maintsy hanamafy ny fitakiany koa toy ny mpanabe, satria tsy ny mpitatitra ihany no manana olana eto amintsika noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra tarihan’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina.