Fifidianana Filohampirenena 7 novambra “1er tour”, 19 desambra “2e tour”

Isambilo

Nivoaka tamin’ny filan-kevitry ny governemanta notarihan’ny Praiministra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Lapam-panjakan’i Mahazoarivo, ny datim-pifidianana filoham-pirenena hatao eto amintsika amin’ity taona ity. Ny fifidianana fihodinana voalohany na ny 1er tour dia ho tanterahana ny alarobia 7 novambra 2018 ho avy izao, ny fifidianana filohampirenena fihodinana faha-2 kosa na ny 2eme tour dia hatao ny alarobia 19 desambra 2018. Nambaran’ny Praiministra Ntsay Christian nandritra izany fa efa neken’ny Parlemanta eto amintsika dia ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena ny Programan’asa ankapoben’ny fitondram-panjakana na ny PGE ny alakamisy lasa teo, ka tsy misy tokony tsy hamoahana ny datim-pifidianana intsony hoy izy, ka dia izao navoakan’ny governemanta izao izany datim-pifidianana izany, izay efa nandrasan’ny mpanao politika sasany. Ny mpanao politika hafa kosa momba io fifidianana io dia mbola mametraka fepetra mba tsy hisian’ny halabato : toy izany ny fanamboarana ireo mpikambana ao amin’ny CENI, na ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana izany, misy milaza koa fa mbola tokony hiova avokoa ireo solontenam-panjakana any rehetra any toy ny lehiben’ny distrika, ny lehiben’ny faritra, sns… ny hafa koa dia milaza fa tokony hovana koa ireo mpikambana ao amin’ny HCC na ny Fitsarana Avo momba ny lalampanorenana, izay mitanila satria tsy nanala ny filoha tamin’ny toerany, nefa nahatsapa izy ireo fa diso ny Filohampirenena Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fanitsakitsahany ny lalampanorenana. Dia ho hita eo na hitondra fitoniana ny fanambarana izao fatim-pifidianana izao, na vao mainka hampakatra ny mari-pana politika eto amintsika.