Edito 23 Jiona – Miketrika hala-bato be vata ny HVM sy ny MAPAR

Dradradradrain’ ny MAPAR  tarihin’i Andry Rajoelina,  izay  nandray   anjara  mavitrika  tamin’ny  tolona  nataon’ireo depiote 73 ho an’ny fanovàna,  tao amin’ny kianjan’ny 13 Mey,  izay namoizana  ain’olona  ny  teny  hoe tokony halefa  ny fifidianana mialohan’ny fotoana .  Izany ve no nifanarahana  teo an-kianja ?  angaha tsy fifidianana madio  tsy  ny HVM no mitantana azy  ve  no nifanarahana  teny an-kianja  e?  sa efa mahazo antoka  ianareo Mapar  fa  tsy hisy hosoka   io  fifidianana  eritreretinareo   karakaraina mialohan’ny fotoana io ?  Ny nifanarahana  dia fifidianana    tsy hiteraka   korontana  eto amin’ny firenena  no tokony  hatao . Ka mialohan’izany  dia mila miova ny  CENI  fiobe  sy   ireo rantsa-mangaikany any amin’ny faritra   manerana  ny Nosy  . Ankoatra  izay  , mila jerena  ireo  fomba fangalaram-bato mialohan’ny fotoana  , ao ireo biraom-pifidianana  hosoka  tsy misy mpifidy akory . Izany rehetra izany dia  efa nodradradraina teo amin’ny kianjan’ny 13 mey  nandritra ny tolona  ho an’ny fanovàna , saingy modian’ny Mapar tsy fantatra izany   ankehitriny rehefa  nahazo seza volamena  ao amin’ny governemantan’i Ntsay Christian .  Tsy vahaolana   ny fifidianana mialohan’ny fotoana   raha tsy tanteraka  ny fanadiovana  faobe   mialoha   sy mandritra   ary aorian’ny   fifidianana ; fa  ankoatra  izay   efa  halabato be vata no tiana  hapetraka eto, izay tadiavin’ny HVM sy ny MAPAR ho ketrehina.

Helisoa