AAA-TIKO Andranomanelatra – Efa miomana amin’ny fisokafany

Efa miandry fatratra ny hisokafan’ny Orinasa AAA-Tiko Andranomanelatra avokoa ny mpiasa sy ny mpandraharaha niara-niasa tamin’ity Orinasa malagasy, isan’ny goavana eto Madagasikara ity. Raha ny fantatra dia efa ho herinandro mahery teo ho eo izao no nanesoran’ny mpitondra ao Vakinankaratra ireo mpitandro filaminana niandry ity orinasa ity andro aman’alina ary naverina namonjy ny asany izy ireo. Azo antoka araka izany fa mety tsy ho ela dia mety hisy amin’izay ny fitsirihina amin’ny famoahana ilay taratasy fahazoan-dalana iraisan’ny minisitera nandrara ny famokarana tao amin’ity Orinasa ity, izay fantatra fa ny tompon’andraiki-panjakana teo aloha no ninia nanakatona sy tsy namoaka izany noho ny resaka fankahalana manokana. Raha tsiahivina dia tsy ny tompon’ity Orinasa ity velively, izay ninian’ny mpitondra nopotehina no lasibatra fa ny fiharian-karenan’ny mponina sy ireo mpandraharaha namatsy vokatra ny Orinasa no potika satria ny Orinasa izay ninian’ny fanjakana notohanana dia tsy afaka manodina manontolo akory ny vokatry ny ronono teto Vakinankaratra nohon’ny mbola hakelin’ny fitaovana ampiasain’izy ireo, no sady mbola mividy mora ihany koa ny vokatra ronono, manararaotra ny tantsaha ihany koa. Velom-panantenana indray araka izany ireo tantsaha sy ny mpiasa ary hiteraka famoronana asa indray ho an’i Vakinankaratra ny mety hisokafan’ity orinasa isan’ny goavana ity satria aza adino fa manodidina ny 30.000 any ho any no mahazo tombontsoa mivantana sy ankolaka amin’ny fihodinan’ny Orinasa AAA-Tiko ity manerana an’i Vakinankaratra satria hatrany amin’ireo distrika manodidina no hanangonan’izy ireo ronono, raha tsy hilaza an’i Faratsiho sy Antanifotsy ary Antsirabe faharoa. Ankoatra izay dia ny AAA-Tiko no isan’ny nanatsara ihany koa ny taranak’omby teto Vakinankaratra, ankoatry ny orinasa Fifamanor Andranomanelatra. Tsara ny manamarika fa isan’ny ankafizin’ny Malagasy maro an’isa ny vokatra vokarin’ity Orinasa AAA-Tiko ity, noho ny kalitaony tsara lavitra raha mitaha amin’ireo vokatra avy any ivelany, ampidirin’ny mpîtondra eto Madagasikara ankehitriny.

Lezama