Hetsi-bahoakan’ny Fanovana

Mila ovaina ireo ministra HVM ao amin’ny governemanta
Helisoa
Tsy milavo lefona ny vahoaka mpitolona ho an’ny fanovàna  miaraka min’ny depiote 73   fa tonga marobe tao amin’ny kianjan’ny 13mey omaly, na somary tara  aza ny fahatongavan’ireo depiote mpitarika ny hetsika tao an-toerana   . Ny antony araka ny nambaran’ireto farany dia noho ny vary mangatsiaka  teny amin’ny Antenimierampirenena izay tsy maintsy nilàna ny fahatongavan’izy ireo,  mikasika ny fandinihana  ny tetibola  asiam-panitsiana  LFR ( lois des finances rectificatives )  . Raha  ny fanadaharam-potoana efa voafaritra  ny talata teo dia tokony  handeha ho eny amin’ny lapan’i Mahazoarivo hiresaka amin’ny Praiminisitra   ny  vahoaka , nefa noho  ny mbola tsy fahatomombanan’ny   zavatra rehetra araka  nambaran’ny depiote Arnaud Tody  dia mihemotra amin’ny fotoana manaraka  ny dia ho eny Mahazoarivo .  Ilaina  ho araka ny lalàna   hoy izy ny zavatra ataontsika mba  tsy hisian’ny fifamonoana  indray . Nisy araka izany  ny taratasy  alefa any amin’ny  Praiminisitra Ntsay Christian  mitaky ny  hanesorana ny minisitra HVM ao anaty governemanta   izay tsy mifanaraka  amin’ny didy navoakan’ny HCC ny nanendrena  azy ireo  hitantana  ny minisitera   . Io taratasy io  dia ho soniavin’ny depiote 73 , ny sendika   ary  ny vahoaka Malagasy mitolona ho an’ny fanovàna .  Rehefa  vita izany dia hirodorodo ho eny Mahazoarivo   hanatitra  ny taratasy  sy ny  didy fanapahana  avy  amin’ny HCC ny vahoaka,  mba  hibaribary  eo anatrehan’ny Praiminisitra  Ntsay  Christian  fa tsy mety ny zavatra nataony