Liva, Kmfb – Noseranan-drahona ny tolon’ny fanovana

Ny Valosoa

Mitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena indray Razafitsifera Liva na I Liva KMFB (Komity Miaro ny Safidim-Bahoaka). Na dia teo aza ny ezaka mafy nihàtra aman’aina hoy izy nataon’ireo Malagasy tia tanindrazana mitolona ho an’ny FANOVANA, izay niarahana tamin’ireo député 73, dia nolalovan-drahona kely izany tamin’ny fiandohan’ity herin’andro ity. Kihon-dalana iray lehibe indray mantsy ho an’ny mpanao pôlitika  sasany entina hamadihana tolom-bahoaka sy hitadiavan-toerana ny tranga fanolorana Praiminisitra vaovao iny, dia Andriamatoa Ntsay Christian izany. Teo dia efa nampiahiahy ny KMFB sahady ny teti-dratsy tian’ny sasany  hahatongavana, mba handravana ny tolom-bahoaka. Etsy ankilany ihany koa ireo depiote nitady toerana ho minisitra ho an’ny tenany manokana. Samy nilokaloka avokoa ny hoe : miala RAJAO, kanefa tsy ela akory dia efa manao misaotra Andriamatoa Filoha Rajaonarimampianina sahady, noho ny fanendrena an’Andriamatoa Ntsay ho PM hono. Tsara ny mampahatsiaro fa matoa isika tsy milamina fa mbola miaina sy tafiditra ao anatin’izao kirizy pôlitika izao  hatrany, dia nisy antony hoy ihany i Liva. Tsaroan’ny maro tsara ny tolona fampodiana ny Filoha Marc Ravalomanana teto an-tanindrazana sy ny fisainana ny hampandany azy ho filoham-pirenena indray, kanjo tamin’ny fotoana tsy nampoizin’ny maro ny taona 2013 dia nanendry sy niantso ireo mpanara-dia aminy azy izy hifidy an’Andriamatoa Robinson Jean Louis ho filoham-pirenena, izay olona tsy nivoaka avy tamin’ny tolom-bahoaka akory ka nampisara-bazana ny mpitolona tamin’ny fotoan’androny. Nifanindran-dalana tamin’izay ihany koa Andriamatoa Andry Rajoelina, dia nanendry sy nanohana an’Andriamatoa Rajaonarimampianina ho filoham-pirenena, kanefa, fantantsika tsara fa ny TGV dia nanana ny kandidà-ny tamin’izany, dia Andriamatoa Razafindravaha Edgar. Nanenina mafy ihany koa izy taty aoriana, ary niala-tsiny sy nifona tamin’ireo mpanara-dia azy. Tsy hitsara an’iza na iza isika fa mampitandrina kosa, satria mitady hiverina io tranga io ankehitriny, kanefa ny vahoaka sy ny fiainam-pirenena hatrany no mihinana ny tsy hainy. Eo amin’ny kianjan’ny 13 mey eto Madagasikara ve ny tolona no atao, hoy izy dia any ivelan’i Madagasikara no mitady olona atao Praiminisitra. Milaza isika fa tsy matahotra ny firaisambe iraisam-pirenena no milaza ihany koa ny tsy tokony hidiran’izy ireo amin’ny raharaha tokantranon’ny malagasy, kanjo ny mifanohitra amin’izany no zava-misy, satria izy ireo ihany no mbola mibaiko ny mpanao pôlitika eto ka nametraka an’io Praiminisitra tsangambato io. Ampy izay. Aza fitahina ny vahoaka. Sahia milaza ny marina hitadiavam-bahaolana miaraka. Ho an’ny Liva filohan’ny KMFB, ny vahaolana  dia mazava. Ny fialan’dRajao sy ny forongony eo amin’ny fitondrana, ary ny fandravana ireo rafitra rehetra najoron’ny HVM ihany no vahaolana. Noho izany dia mitohy ny tolona hoy ihany i Liva KMFB.

Sary KMFB:  Razafitsifera Liva na Liva KMFB.