Angôvo – Vao tonga Rabary Njaka dia nakariny ny vidin-tsolika


Ny Valosoa
Vao tonga ny ministry ny angôvo vaovao, izay ny tonta ihany no navadibadika dia ny ministra Henry Rabary Njaka dia niakatra ny vidin-tsolika. Mba tsy voalohan’ny volana no nampakarin’izy ireo izany vidin-tsolika izany tamin’ity volana jona ity, fa antenantenam-bolana satria tamin’ny fiandohan’ity volana jona ity dia nafana dia nafana tokoa ny resaka politika ka sahy nampakatra izany ny mpitondra mpampiesona. Ankehitriny izany vao nakarin’izy ireo, na mbola mafana ihany aza ny tontolo politika eto amintsika amin’izao. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia mbola misy eo amin’ny 9% eo vao tratra ny vidiny tena izy raha ny gazoala. Afak’omaly alina, niakatra teo amin’ny 50 Ar avokoa indray ny gazoala, ny lasantsy ary ny solitany. Mangana hatrany hatreto ny mpanjifa.