27/03/2024-Rivodoza Gamane.Alarobia 27 Martsa 2024 - 17h
▶ Zay vao nanomboka nihetsika i GAMANE 🌀 ka ao amin'ny distrikan'Ambilobe ao amin'ny kaominina Ambakirano izao no misy ny foibeny.
▶ Mihena hatrany ny heriny ka mitondra rivotra 90 km/h sy tafiotra 125 km/h izy manodidina ny 30 km miala ny foibeny.
▶ Fa ny orambe mandifotr'olona 💧💧💧 kosa mbola hitohy hatramin'ny rahampitso Alakamisy alina 😥 ho an'ny faritra Diana, Sava, Ambatosoa sy Analanjirofo.
▶ Mikasika ny mety ho làlany dia vinavinaina hizotra hianatsimo somary Atsimo Atsinanana izy anio alina ka hamakivaky ny ilany Andrefan'ny distrikan'i Sambava ary ny distrikan'Andapa sy Maroantsetra rahampitso Alakamisy mialohan'ny hivoahany an-dranomasina ao amin'ny distrikan'i Antalaha. Ny Zoma izy izany vao hanalavitra tanteraka an'i Madagasikara.
Mankahery hatrany fa tena Grave izy ity ✊
Cyclones à Madagascar
... TohinyFintinina