KMMR Vangaindrano – Nangataka tsodrano tamin’ny Ampanjaka ho fampandesena an’i Dada N°25

Isambilo

Efa nanomboka nihetsika ihany koa ho fampandresena ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana ny KMMR na ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana any Vangaindrano faritra Atsimo Atsinanana. Nanao diabe izy ireo namakivaky ny tanàna nandeha nangataka tsodrano ho ani Dada 25 tany aminny Ampanjaka 3 troky ao Vangaindrano. Nahazo tsodrano izy ary faly ny Ampanjaka amin’ny firotsahani Dada Marc Ravalomanana hofidiana indray satria mahatsiaro ny fampandrosoana nataoni Dada izy ireo tamin’ny fitondrana hatramin’ny taona 2009. Ankoatra izany, miandrandra ny fiverenan i DaDa ny vahoakan’i Vangaindrano araka ny vaovao voaray avy any amin’iny faritra iny.