16 Marsa – Taratasin’ny mpamaky

Mbola tsara jiaby. Azafady mba misy ambara ny tenako manoloana ny loza mahatsiravina niseho tao amin’ny distrika Ambilobe. Samy niezaka naneho hevitra sy teny fampiononana ny tsiray2 momba io lozabe io. Fa ny tena tsindriako eto dia iza aby no tomponantoka amin’io. Matoa efa mirongotra ny fandihanan’olona antsokosoko misy antony mahatonga izany. Araka ny vao2 azo dia nanomboka 2020 no tsy nahafehezana izio. Azovy no nahatonga izany?( samia misaina isika). Ny zavatra hita mareloatra jalintsika malagasy aty. Tsisy business mandeha aty, zay raha atao mamono vola fo. Lavanio mba rehareha ely anagnantsika mbola nivonegna fo vidiny ary tsisy mpividy koa. Ary olombelogno tsy vato ka ho velona tsy misakafo, nefa fitiavantena fo no manjaka eto Madagascar. Lojika be ny olona handeha antsokosoko satria tsisy ny atao na vola hikarakarana taratasy jiaby hitsakagna tsisy. Nefa mba te hizaha anjaramasoandro ely tandrify azy. Ny marina, fanjakana malagasy tsy mijery fiainambahoaka mazava zegny. Potiky ny fiainana tsisy mpijery fa samby mamboboko zay tandrify azy akory ataony madinika hivoatra. Zah tsy mamporisika olona andeha antsokosoko, fa mafy loatra jaly eto Madagascar na vola ikarakaragna taratasy tsy hita. Ny mpitondra sosialy fo ninazy na tsy mihinana vahoakanazy tsy jireny. Zay tadivola atao isifahany fo. Ka hitako iro mba tomponantoka aminazy io. Asa mba ino fandinihantegnandro mahita izio io ao. Ataova tonga agny zegny.

Albert Lutcho Rasolo
Vohemara faritra Sava
Mpanaraka gazety Ny Valosoa Vaovao