Filoha Ravalomanana – Fafy lainga ataon’ny fitondrana Rajoelina, tsapan’ny any Sava

Niaina

Nitsidika ny tany amin’ny faritra Sava: tany Sambava sy tany Antalaha ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasiônalin’ny antoko TIM ny faran’ny herinandro teo. Toy ny fanaony, nisy ny fihaonana mivantana tamin’ny mponina tao an-tsena tany Sambava. Ankoatra izany, nihaona tamin’ireo mpitarika ny antoko TIM tany Sambava sy tany Antalaha ny filoha Ravalomanana. Niara-nahatsapa izy ireo nandritra izany, fa fafy lainga no ataon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao.

Lazaina fa ny fitondrana amin’izao fotoana no tena tompon’antoka tamin’ny fanaovana ny RN5A Ambilobe-Vohemara, samy nahatsapa ny rehetra fa fitohizam-panjakana no nahatontosana izany. Voalaza fa 25 taona vao mety ho simba izany lalana izany, nefa efa nahitana fahasimbana sahady ny amin’ny tetezana sasany. Izany hoe lalana mbola tsy tena vita tsara, no noezahan’ny filoha Rajoelina notokanana. Samy nanipika ihany koa ny rehetra nandritra izany, fa tsy mbola nahitana fahasimbany hatramin’izao ny lalana Sambava-Antalaha, vita tamin’ny fitondrana Ravalomanana.

Ireo mpitarika ny antoko any an-toerana kosa dia samy nanambara fa mila mijoro ny herivelona rehetra any amin’ny tapany avaratr’i Madagasikara iny, tsy ho voafitak’ireo mpanome fanantenana poakaty, toy ny ataon’ny mpitondra ankehitriny. Nasongadin’ireo mpandray fitenenana koa na tany Sambava, na tany Antalaha, fa tsy nahazo olona Rajoelina tany Vohemara sy Ambilobe raha tsy nitatitra olona. Nisy ny fitaterana tamin’ny kamiao olona izay mpihogahoga. Nisy koa ny fanerena ny olona hividy omby ho an’ny mpitondra tonga tany. Nisy ireo ben’ny tanàna, sy ireo sefo fokontany noterena hitondra vahoaka. Ny Prefet tany an-toerana, nanery ny mpiasam-panjakana hanatrika ny lanonana. Nohamafisin’izy ireo koa, fa tsy tanteraky ny fitondrana Rajoelina hatramin’izao ny fampakarana ho avo telo heny ny vidin’ny lavanila, mbola manaporofo hoy ny any an-toerana, ny fitaka sy lainga ary fampanantenana poakaty ataon’izao fitondrana izao.