MOMBA NY FITAKIANA IREO NOSY MANODIDINA

Tsy ny mpivaro-tanindrazana izay manao lohan’angidina,
No hiady ny hamerenana iretsy nosy manodidina.
Olona voavidy ireo sady efa tsy avotra intsony,
Ny fitiavam-bola mantsy no mandrakotra ny fony!

Eto akaiky aza tsy vitany ny miaro ireo vahoaka,
Fa ny resabe hatrany no atao mipoapoaka,
Ka ahoana no hinoana fa ny olona toy izany
Dia hanao izay hamerenana ireo tsy hita lavitra any?

Ireo ve no hifandon-databatra amin’ireo mpibodo tany?
(Hainy aloha ny sarin’ady, fihetsika fanaony izany!)
Fa raha tena ny hiady, ho tombontsoam-pirenena,
Tsy ireo no aoka hajoro sao ho diso fanantena!

Ireo dia olona voavidy sy efa maty ny fanahiny,
K’aoka tsy ho voarebirebiny, aza mety hofitahiny,
F’efa maty am-pitsanganana, maty fa tsy vazivazy,
Ka andrasana atsy ho atsy izay ho fandevenana azy.

TSIMIMALO (31-05-22)