AMPY IZAY RY INGAHY FILOHA !

“Raha izay ireo no ianteherana dia tsy hisy fandrosoana”.
Izay no teny nolazain’ilay “mpiteniteny foana”!
Kanjo asa foana teo fa iny indray ny anao tsy tratra,
Handadilady ka hitady ireo mpamatsy mahazatra!

Izany ve no mba mpitondra matotra amin’izay atao,
Sa zaza loatra ka dia mbola miovaova lava izao?
Dia ny andranandrana no be, ny tsapatsapa no izorana,
Ka mivadibadi-dela sy tsy misy fahamatorana?

Ary rehefa tafaverina fa nahazo famatsiana,
Dia hidedaka ho mahay sy mbola azo itokiana?
Nefa e ity firenena, efa tena fara lisitra
Sady rambony hatrany, sasatry ny miady gisitra!

Izany ve no mba mpitondra mbola ekena ho mahay,
Kanefa dia mivadibadika toy irony lela may?
Mandiniha re ry vahoaka, ho avy indray ny fifidianana .
Ny “tsy marina amin’ny teny”, mbola mendrika hotohanana?

Ny roa taona izay tavela, hany sisa hitondrany,
Moa ho ampy hanitsiany sy hamafàny ny hadalany?
Miandry isika rey vahoaka, saingy raha ny vita aloha
Dia mahatonga anay hiteny hoe “ampy izay ry Ingahy filoha”!

TSIMIMALO (17-04-22)