MIFANOHANA AMIN’NY RATSY

(Sary Tia Tanindrazana)

Mifanohana amin’ny ratsy ny ao anaty fitondrana.
Tena tsy iainana eto ny hoe “tany tan-dalàna”.
Olon-tsotra na mpanohitra, ireny hatrany no tsaraina,
Fa ny manampahefana dia mazàna afa-maina!

Halatra mibaribary, fanodinam-bola goavana,
Dia mbola arovana ny akama, ampandosirina ny havana.
Mody esorina kinanjo avy eo averina amin’ny toerany,
Ka lalina ny fidedahany ary koa ny fihoerahoerany!

Tsy manam-pahaleovantena ny ao anaty fitsarana.
Tsindritsindry, teritery, no iainana ao mazàna.
Tsy fialofan’ny malemy izay mitady fiarovana,
Fa fibahanan’ireo ngeza miaina anaty fahalovana!

Mifanohana amin’ny ratsy ny ao anaty fitondrana.
Akama tokony higadra, tampoka eo dia tsy voatana,
F’any ampitan-dranomasina no indro makamaka aina,
Ka dia tena mahagaga sady mahalasa saina!

Ireo miteny, manakiana, ireny foana no enjehina,
Sao ho vaky am-batolampy irony ratsy izay kotrehina,
Fa iretsy jiolahy sy ny mpangalatra malaza
Dia tsy misy mba voakitika fa omena vahana aza.

Izao ilay endri-pitondrana tena tsisy kalitao,
Fa ny mpangalatra no sisa mifanohantohana ao.
Tsy misy zavatra manjary f’efa fantatra ny ho vokany,
Toy izay efa nanakotrika irony atody efa lamokany!

TSIMIMALO (23-03-22)