ANTSO AVO ATAON’NY MPAMPIANATRA

Ry mpampianatra mahantra sady tena faraidiny,
Fa ataon’ireo mpitondra ho olona tsy misy vidiny.
Tonga ny ora sy fotoana hijoroana eo anoloana,
Hanehoana fa ianao dia tena tsy olonolom-poana!

Fa tsy tongatonga ho azy tao anaty fitondrana,
Ireo rehetra izay mirehaka ho nahazo fahefana,
Raha tsy nisy anao nijoro, nanana fandavantena,
Ka nizara ho azy ireo fahaizana sy fahendrena!

Koa dia rariny mihitsy raha asiana fijerena
Anao mpampianatra mijaly sady tena mahonena,
Fa ianao no tena angady izay lazaina fa nananana,
Sady vy izay nahitan’ny olo-maro fiadanana!

K’aza ailikao mpitondra na atao ankilabao
Ireo mpampianatra izay tena naha toy izao anao.
Andeha amboary ny karamany ary ataovy mba mirindra,
Fa hatreto tena kely sy mazàna ambany indrindra!

Moa tsy hitanao mpitondra sy mpitantana eny ambony,
Ireo izay mbola mikarama vary fotsy iray gony?
Izay no raisiny isam-bolana ka inona no andrasana aminy
Amin’izay karama kely tena tsy ahitany maminy?

Raha izay hoe “manara-penitra”, hatreto aloha tsy mbola tazana,
Ato anatin’ny tontolo sy ny seha-panabeazana,
Fa mahantra ny mpampianatra, (efa diso tafahoatra!)
Ka tsy hisy fampianarana antenaina mba hivoatra!

Ny amin’izay mba “vatsy tohana” idedahana any ho any,
Dia mazàna ny mpampianatra tsy misitraka an’izany.
Raha mba misy fanampiana, ny mpampianatra no gisitra,
Na iniana hadinoina sy tsy atao anaty lisitra!

…Miantso anao handray andraikitra ry mpitondra tena miesona.
Izao no ataovy hoe “enti-mody” sady raiso mba ho lesona:
Raha mahantra ny mpampianatra, ho potika ny fampianarana,
Ka tsy hisy eto amintsika izany atao hoe fivoarana!

SEDERA RAVALISON (20-03-22)