GOVERNEMANTAN’NY V ?

Governemantan’ny inona indray
‘Ty ketrehina, hoentina mba hanodoka?
Ry Veta, sokajin’ny mbola milay
Sa anisan’ireo izay tsy maintsy ho voatsoka?

‘Reo niady ary koa nifandrafy am-pitoerana,
Moa ho voadaka sa efa nampihaonina?
Toa tsy milamina ny fitaterana,
Ho poaka ny “mason’ilay sikilaonina”!

Hatramin’ny namana mba “niara-niainga”
No efa nandà tsy hiaraka intsony,
F’angamba efa tena voafahana lainga,
Ka tena tsaroany ho maratra ny fony!

Governemantan’ny inona izany
‘Ty sarotra hateraka sy ela fidona?
Sa mbola ny sisan’ny omaly ihany,
No indreo fa mikiry ny hiara-mirona?

Governemantan’ny inona izany?
Samia mieritreritra sy maminany.
Governemantan’ny V foana hatrany,
Ka mbola hampiranga ny maso eran-tany?

DADAN’i RIANA (15-03-22)