Ho avy ny fety – Ny omaly tsy miova ny fiainan-dRamalagasy, vao mainka miha-sahirana

Helisoa

Tonga indray ity ny volana desambra, ho avy tsy ho ela ny fahatsiarovana ny nahaterahan’ny Mpamonjy sy ny taona vaovao. Ny omaly tsy miova ihany anefa ny fiainan-dRamalagasy, vao mainka aza mitsotsorika, mijotso midina hatrany. Tsy hita intsony izay ho sarangotina fa ohatra ny tsy misy mpitondra eto Madagasikara. Very fanahy mbola velona tsy mba hisy fanantenana intsony.

Ankilany anefa, misy ireo olona mbola mahatsiaro tena, fa tsy misy mpitondra mitsinjo vahoaka ohatra ny misy amin’izao hono, hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena. Tsy hita soritra amin’ireny olona nahazo fahefana ireny ny fahantrana, fa tena hita mivantana amin’ny vatany miha-bolangina hatrany. Nahavita nanangana fotodrafitr’asa mbola tsy vitan’ny mpitondra nifandimby hono Andry Rajoelina. Nitondra inona ho an’ny Malagasy 25 tapitrisa mahery anefa ireny zavabita tsy miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny VAHOAKA ireny? Toa ny zavatra vitan’ny fitondràna Hery Rajaonarimampianina aza no lokolokoina lokona volomboasary. Ny kianjan’i Mahamasina nideraderàna fa manara-penitra ity dobo rano.

Ny fantatra aloha dia manao ny ataony rehetra ny fitondràna TGV misy amin’izao hanao izay hijanonana eo amin’ny toerany, satria efa ho avy sahady ny 2023 hanaovana fifidianana. Araka ny zavatra hita mantsy izao dia mitsotsorika toy ny fiainan’ny Malagasy ny fitiavan’ny olona an’i Andry Rajoelina, dia mitady hevi-dratsy mba hahafahana mitazona ny fahefana izy ireo. Re omaly fa napetraka amin’ny fomba ofisialy ny CENI vaovao hitantana ny fifidianana izay olon’ny TGV no maro an’isa ao. Mifamatopatotra be ihany satria misy mpivady, ny iray minisitra, ny vadiny mpikambana amin’ny CENI natolotry ny filoha Andry Rajoelina, sns… Ny solontenan’ny mpanao gazety ao amin’ity rafitra ity dia talen’ny famoahana ao amin’ny Televiziona Viva, izay an’ny filoha Rajoelina. Tsy afaka ny tsy hitanila izany rehefa tonga ny fifidianana, satria samy efa mpiara-misaosy sy mpiray petsapetsa ao ihany! Dia hisy antenaina fa hitondra ny fifidianana araka ny fahamarinana araka ny nambaran’ny ray amandreny FFKM ve io CENI vao natsangana io?

Ny mpanohitra eto Madagasikara toy ny RMDM sy ny Vondrona PANORAMA ary ny olom-pirenena maro dia efa nanao fanambaràna ny handravàna ny CENI amin’ny endriny izao io. Toy izany koa ireo ao amin’ny HCC izay mitovy tsy misy valaka amin’ny CENI no nanendrena azy. Mbola ho raharaha ny hiseho eto Madagasikara, fa raha ny fahitàna ny zavamisy hatrehina amin’izao dia azo eritreretina ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy, satria efa tena mahatsiaro mijaly ny vahoaka, nefa tsy misy ny vahaolana, fa mamono afo fotsiny no betsaka. Mpitondra mpameno paosy sisa no hita fa ny vahoaka mitanatana vava , nefa tadidio fa misy farany ny zavatra rehetra.