Raharaha Ravo Nambinina – Hampakatra fitsarana ambony ny fianakaviana, tsy afa-po tamin’ny didy

Niaina

Nivoaka omaly maraina io ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha mahavoasaringotra an’i Ravo Nambinina, na Ravo Ramasomanana, mpiasan’ny fahasalamana sahy namotsipotsitra ny kolikoly tao anivon’ny ministeran’ny fahasalamana ary nitory teny amin’ny Bianco, nefa ankilany notorian’ny ministeran’ny fahasalamana koa fa hoe: manohintohina ny filaminam-bahoaka, sy manila Baraka ny fitondrana.

Araka ny didy nivoaka: voasazy handoa onitra 1 tapitrisa ariary amin’ny fanjakana Malagasy izy, noho ny fanalana baraka ny fitondram-panjakana. Etsy ankilany dia afaka noho ny fisalasalana tamin’ny raharaha fanohintohinana ny filaminam-bahoaka izay nitoriana azy i Ravo Nambinina. Tsy afa-po tamin’ny didy ny fianakaviana, ka hampiakatra ny raharaha amin’ny fitsarana ambony.