Antoko Arema – Manabe voho ny eny ifotony koa

Niaina

Manabe voho ny eny ifotony koa ny antoko Arema amin’izao fotoana. Nitety faritra tato ho ato ny avy amin’ny birao politika nasionalin’ny antoko. Fantatra tamin’izany fa hifarana amin’ny alalan’ny « Bazar de Noel » eto Antananarivo ny 10,11,12 desambra ao amin’ny Hotel Restaurant La rotonde ny fankalazana ny faha-45 taonan’ ny Antoko Arema, anisan’ny nambaran’ny mpitarika izany, raha nitety ny faritan’i FIANARANTSOA izy ireo, tamin’ny « Tombazoliky sy Zamanosika » ary fitsidihana ny akanin-jaza izay mbola miasa ao amin’io Faritany io.

Nanomboka tao Ambositra ireo delegasiona tarihan’ny Sekretera Nasionaly Annick Ratsiraka dia nitodidoha tany Ambohimahasoa, Ifanadiana, Vohipeno, Vangaindrano, Farafangana, Manakara, Mananjary, Ihosy, ary nifarana tao an-tampon-tanànan’i FIANARANTSOA tao amin’ny Espace Royal. Nararaotina tamin’izany ny fampahafantarana ny fanapahan-kevitra tao amin’ny kongresin’ny antoko, izay natao tamin’ny 20 Martsa 2020.

Fotoana ihany koa izany nahafahana nitafatafa sy nandray ny hetaheta sy soso-kevitry ny mpikambana AREMA hampiroboroboana ny antoko. Resadresaka izay niafara tamin’ sakafo mitam-pihavanana natolotr’ireo mpikambana any an-toerana. Nifarana tamin’ny fambolena zana-kazo 1000 fototra: voasary, ananambo, kafe, eucalyptus sy kininina, tany Isandra, toerana ilevenan’ny raiben’ny Sekretera Nasionaly ny hetsika. Nisy fotoam-pivavahana ho an’ny fanahin’ny Amiraly Didier Ratsiraka tao amin’ny Sœur Reparatrices, talohan’ny niverenan’ny delegasiona any amin’ny faritany fihaviany tsirairay avy.