Firenena Malagasy – Migorisa moramora mankany amin’ny lavaky ny fahantrana

Andry Tsiavalona

Migorisa moramora ho any amin’ny lavaky ny fahantrana tsy azo iverenana intsony ny Firenena malagasy, fa manonga mankany amin’ny paradisan’ny fahafinaretana sy migoka ny harena tsetsefina avy amin’ny mpiray Firenena aminy kosa ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Tsy misy afaka mandà tokoa mantsy fa tsy vola avy any am-paosin-dRajoelina Andry sy ny miaradia aminy no entiny mitety faritra, fa vola avy ao amin’ny kitapom-bolam-bahoaka. Tsy vola avy any am-paosiny ihany koa hampireveny ireo olona terena mitsena sy mitehaka, izay fampanantenana avoaky ny vavany sy itokanana izay fotodrafitrasa manarapenitra. Tsy vola avy any am-paosiny no lany amin’ny solika trohan’ny fiarakodia, na fiaramanidina mitondra azy any amin’izay toerana alehany. Tsy mamoaka vola avy any am-paosiny ireo manampahefana mirodorodo manotrona ny filohan’ny Repoblika andoavana ny sakafo ohaniny, fa toy ny vola azon’izay mandeha mamita iraka rehetra.

Ny mifanohitra amin’izany kosa ny an’ireo vahoaka tonga manatrika, satria harerahana sy kibo noana no ialàny eo. Mety mahazo fahafinaretan’ny maso sy sofina izay entina manonofy, angamba, fa hiverina iaina amin’ny fahoriana andavanandro indray ny vahoaka. Etsy ankilany koa dia mitaky ny vola laniny, odian’ny mpitondra tsy fantatra, tamin’ny asa fikojakojan-dàlana nataony ny orinasa maro. Tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa any amin’ireo toby fandanjana fiara vaventy (station de pesage) sy ny Secren any Antsiranana. Torak’izany koa ny mpandraharaha eny amin’ny Oniversite sy ny mpampianatra ao amin’ny Sekoly ambony fampiofanana ara-pedagojika (ENS) tsy mandray karama, ka nitarika ny fitokonan’ny mpianatra izay mitaky ny andoavana izany karama izany, mba hitohizan’ny fampianarana. Tsy voloa ny karaman’ireo mpiara-miasa amin’ireo parlemantera (assistants parlémentaires) kanefa dia ny parlemanta no mandany ny tetibola ho an’ny andrimpanjakana isatokony. Mihoatra ny tetibola nampiasain’ny Antenimierandoholona nisy mpikambana telo-ambienimpolo no mampihodina ity andrimpanjakana misy mpikambana valo ambinifolo ity.

Araka izany dia toa ohatry ny tsy misy vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana, ka ny fanontaniana mipetraka dia avy aiza ny vola entin-dRajoelina Andry manao izao fihetsiketsehana sy fampielezankevitra alohan’ny fotoana rehetra izao. Lazaina fa entina manatanteraka ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika ny tahirim-bola manokana (fonds souverain) kanefa tsy mbola misy tetikasa voafaritra ho amin’izany, na miainga aloha hatramin’izao. Manambara ny minisitry Vola sy ny Toekarena, fa azo tombanana ho arivo miliara dolara maromaro hahavita antsika volana maro ny tahirim-bola vahiny (devises) ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Raha izay tokoa ny zava-misy dia tsy tokony hitotongana ho miiba enina ny tahan’ ny harinkarena faobe (Taux de croissance économique = – 6%). Hifantoka amin’ny fanarenana ny fiainana ara-tsosialin’ny vahoaka ny mpitondra ankehitriny, ka nahazo ny vola 332 tapitrisa dolara (DTS) avy any amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI). Ny tsapa dia vao nahita io tarehimarika io Rajoelina Andry dia nanafatra sambo miisa roapolo hitatitra vary sy kojakoja ilain’ny mponina andavanandro hono kanefa ny vola mbola any ankibon’ny omby. Vola avy aiza na volan’iza indray no nalaina nanaovana izany fihetsiketsehana izany?

Manomboka izao dia tsy ho aty Madagasikara intsony ny mason’izao tontolo izao, fa “hasandratra eto Madagasikara indray ny nofinofin’izao tontolo izao”. Tsy tokony hohadinoina fa tsy manonofy na mampanonofy ny vahoaka any amin’ny fireneny avy ny mpitondra eran’izao tontolo izao, fa mampiaina fiainana mirindra sy mivoatra azy. Ny mpitondra eto Madagasikara no mampandrevirevy sy mampanonofy ny mpiray firenena aminy kanefa amin’ny ankapobeny dia mivadika ho nofy ratsy izy ireny, ka tsy mandray karama ny sasany, very asa ny hafa ary mirenireny tsy misy atao ny tanora maro.