Vondron’ny mpanohitra RMDM – Manamafy ny firaisankina hatrany

Helisoa

Taorian’ny hetsika fankalazàna ny faha-2 taonan’ny RMDM : Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara ny talata 10 aogositra teo, nisy ny fihaonana nataon’ny solontenan’ireo mpikambana ao amin’ity rodoben’ny mpanohitra eto Madagasikara ity omaly, tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tao Bel’Air Ampandrana. Hita tao anatin’izany ireo solontena isan-tsokajiny mandrafitra ny RMDM toy ny antoko politika, ny birao politika ny antoko TIM sy ny rantsana rehetra ao anatin’izany: vehivavy; tanora TIM, ny tanora RMDM sns… Tao anatin’izany no nijerena ny tombana natao tamin’ny fankalazàna ny faha-2 taona ny RMDM, mba hibanjinana ny ho avy, hanatsaràna ny zavatra miandry amin’ny manaraka.

Nanamafy ny filoha lefitry ny RMDM ao amin’ny faritanin’i Toliara, Pasitera Edouard Tsarahame, fa ilaina ny firaisankina eo amin’ny RMDM, satria izay mitambatra no vato, ary io firaisankina io no mamaritra ny lalana andehanana amin’ny ho avy, amin’ny fanamafisana ny fanoherana eto amintsika.