EDITO 27 jolay – Fifofoana ny ain’ny filoha – Vahao aloha ny olam-bahoaka mamono azy isan’andro

Sôh’son

Amin’ny fomba ahoana no iaraha-mientana sy mifanome tanana raha misy tomponandraikitra amin’ny fitondrana, antoko politika sy mpanao politika, fikambanana manao tany avo avaratra sy manao tombo sy hala na vain-drahalahy tsy mba maharary amin’ny fitondrana ny vahoaka sy momba azy manontolo? Ireo anefa no mpiantsoantso lava ny vahoaka amin’ny fiaraha-mientana amin-javatra maro samihafa isak’izay mihetsika, na manao asa mba isehosehoana. Tsy tonga saina ve fa ny fihetsika ataony ihany no manohitra ny zavatra ataony sy tiany ahatongavana ka tsy tafavoaka? Avy eo ny hafa indray no hanilihana ny tsy fahombiazana.

Mahavariana ny fidehaky ny mpitandro filaminana tamin’ny filazany tamin’ny mpanao gazety, fa izy irery no nahavita ny asa tamin’ny fahasaronana ny raharaha fikasana ny amin’ny hoe fifofoana ain’ny filohan’ny Repoblika. Toy ny hoe tonga ara-potoana ny zavatra ataony. Kanefa fantatry ny maro ary olan’ny olom-pirenena mafy mihitsy, fa rehefa misy fanafihana ataona andian-jiolahy amin’ny trano fonenana iray, dia efa lasa adiny iray na roa na mihoatra izany aza fa tonga izy ireo ary efa lasa ela sy lavitra ireo jiolahy amin’izany. Ny tena olan’ny vahoaka amin’ny mpitandro filaminana ao anatin’izany matetika ny re dia ny hoe: olana momba ny solika andehanana amin’ilay toerana. Andrenesana izany tranga izany amin’ireo toerana nitrangana fanafihana. Ka rehefa amin’ny tranga toy inona no mailaka sy tonga ara-potoana izy ireo ary amin’ny inona no mandiso fanantenana ny vahoaka? Mihevitra ve araka izany ny mpitandro filaminana, fa mahavita an-tsakany sy an-davany ny asany? Rehefa tsy mahavita dia tsy tokony hirehareha, fa hiezaka mafy ho amin’ny famonjena ny vahoaka amin’ny loza manjo azy. Mahakivy ny olom-pirenena ireny tranga ireny ary mahatonga azy hihevitra ho toy ny tsy misy mpiahy.

Raha ambara sy voizina mafy ny amin’io raharaha momba ny filohan’ny Repoblika io, dia mahavariana sy mampieritreritra ihany. Ny vahoaka anie isan’andro vaky, andro aman’alina no tandindonin’ny fanafihan-jioalahy ao amin’ny trano fonenany, ka zary mandry andriran’antsy mandritry ny androm-piainany. Raha mivoaka ny trano indray dia tsy milamin-tsaina amin’ny fanendahana sy ny sinto-mahery, sns… Koa iza no tena tandindonin-doza isan’andro mandritry ny fotoana maharitra eto amin’ity firenena ity? Ireo mpisehoseho notanisaina tery aloha anefa tsy andrenesam-peo sy miady ho an’ny vahoaka amin’izany manjo azy izany.

Koa raha misy olom-pirenena atao antsirambina toy izany ny fiainany, sarotra ny hino fa hiray fo amin’ireo mpiantsoantso fiaraha-mientana lava sy miseho ho manana andraikitra eto amin’ny firenena ireo izy. Vahao aloha ny olana mampijaly sy mikasa hamono azy iainany isan’andro vaky izao.