FITOKANANA SY FITOKONANA

Maromaro iretsy tranga nanamarika ny fety.
Samy faly ny rehetra, niezaka ny hanao izay mety.
Ny mpitondra, tsy mba tara, f’izy indray dia tena havanana
Amin’ny fisehoana ivelany sy lanonam-pitokanana.

Indreny ry zareo nitokana ireo rehetra vita farany,
Ary hatramin’ny tsy azy, nametahany ny anarany.
Tena nisy ireo takelaka izay niniana toa nalana,
Mba tsy ho fantatra mazava iretsy “vy izay nahitana”.

Tetsy andaniny kanefa, nisy ireo nampiaka-peo,
Satria voarara tsy hifety, tsy hifaly ry zareo.
Hatezerana no hita, lonilony no tsikaritra
Vokatry ny fandrarana ny lanonana isam-paritra.

Fa na teo ny fitokanana, nisy koa ny fitokonana
‘Zay niteraka korontana, ary indrindra fifandonana.
Olo-maro no nitaky ny karama sy ny zony,
Saingy basy no nasetry fitakiana toy itony!

F’efa zatra ny mpitondra, zatra ny takiana lava,
Tsy araka ny fihoerahoerany sy ilay izy avo vava,
Ka na mpiasa na ny mpianatra, tsisy manantena intsony,
Noho ny zava-tsy mahomby ataon’ireo mpitondra ambony!

DADAN’i ZINA (28-06-21)