Tafatafa 29 jona – Niaina, RMDM Toamasina – Mihemotra isika fa tsy mandroso ary vao mainka tsy mahaleotena

Nangonin’Isambilo

Tafaresaka tamin’i Andrianiarifera Malalaniaina, na i Niaina, mpanolotsaina misahana ny faritanin’i Toamasina amin’ny birao politika nasionalin’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady anisan’ny tompon’andraikitra misahana ny fanetsehana indray, na ny redynamisation ny antoko TIM any Toamasina ny gazety Ny Valosoa Vaovao, mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana. Dinidinika:

– Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV ): ny fahitanao ny raharaham-pirenena tamin’izao nankalazana ny fetim-pirenena izao aloha?

– Andrianiarifera Malalaniaina (AM) : mankalaza ny faha-61 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara isika, ny zavatra misy anefa ankehitriny, mihemotra isika fa tsy mandroso ary ny fahitana azy aza vao mainka isika tsy mahaleotena, fa miankina amin’ny any ivelany. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny Iles Eparses ohatra, raha ny fampanantenana nataon’ny filoha Rajoelina dia efa hoe tokony hiverina amintsika io nefa izao dia ny Frantsay mihitsy no miteny hoe : « ici c’est la France », dia milaza izany fa tsy mbola manana ny fahaleovantena mihitsy isika, fa mbola ao ambany vahohon’ireo firenena ivelany toa an’ny Frantsay. Raha hiresaka indray isika momba ny resaka ady amin’ny covid 19, indrindra ny momba ny resaka vaksiny, ilay covishield izany, dia nanao vaksiny isika, na ny mpanohitra aza dia nitsindrona izany koa, nitarika izany ny filoha Marc Ravalomanana ary tao aorian’ny nanaovany izany dia maro ny vahoaka nanaraka nanao an’ilay vaksiny, nefa tao aorian’izay dia ohatry ny hoe tsy neken’ny Frantsay indray ilay izy, tsy neken’ny Eoropeana ihany koa, nefa izy ireo no anisan’ny nitsena an’iny teny Ivato. Na izany na tsy izany koa, mahalasa eritreritra ihany ilay izy, maro ihany ny zavatra nentin’ny avy any ivelany teto amintsika, fa anisan’ny tonga teny foana ny filoha Rajoelina, fa ny nahagaga nony tonga ilay vaksiny, sady tsy teo izy no tsy teo ny Praiministra, tsy teo koa vadin’ny filoha Mialy Rajoelina, nefa Ramatoa vadin’ny filoha no ambasadaoro sy mpiahy amin’ny resaka vaksiny eto amintsika, dia eo izany no mahatonga ilay fametraham-panontaniana momba ny resaka vaksiny. Ny filoha moa efa nilaza fa ny CVO ihany ny azy. Ka eo ny olana momba ity resaka hery fiarovana amin’ny coronavirus ity.

– GNVV: amin’izao fetim-pirenena izao, ahoana ny fahitanao ny fitiavan-tanindrazan’ny olona, raha tarafina tamin’ny nananganany sainam-pirenena raha ny taty Toamasina?

– AM: tena tsy navitrika ny olona raha ny fananganana ny sainam-pirenena raha ny teto Toamasina no jerena. Ny heveriko fa antony dia satria sahirana amin’ny adim-piainana loatra ny Malagasy, ary anisan’ny tena sahirana ny ankamaroan’ny olona eto Toamasina amin’izao fotoana, nefa tsy mahita vahaolana amin’izany ny fitondrana ankehitriny, mihevitra aza ny mponina aty fa tena ataon’izao fitondrana Rajoelina izao anjorom-bala izy ireo.

– GNVV: ho anareo mpanohitra, ahoana ny fahitanao azy, ny satan’ny mpanohitra ity mbola tsy ampiharin’ny mpitondra ihany?

– AM: io izany efa tokony ho nampiharina io satan’ny mpanohitra io, fa io rehefa tsy mety amin’ny mpitondra dia tadiaviny ovaina zavatra hafa izany ary ny satan’ny mpanohitra izany raha ny tena marina, tsy vondrona parlemantera na resaka parmemantera no resaka ao, fa ho an’ny firenena mihitsy ary mazava tsara fa ny filoha Marc Ravalomanana no tokony hipetraka eo, satria izy no nahazo ny laharana faharoa tamin’ireny fifidianana filohampirenena ireny ary ny plateforme na ny vovonona tarihany, na ny RMDM io, na ny TIM, no efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa mpanohitra, ka lôjika be izany raha ny filoha Ravalomanana no mitarika an’io fanoherana, filohan’ny mpanohitra io. Io moa izany tsy mety amin’ny fitondrana ilay izy dia tadiaviny ovaina foana, nefa raha ny tena marina dia ilay tolo-dalàna miandry fampiharana ihany no tokony ho tazonina izany.

– GNVV: ankoatra an’izay raha ny teny amin’ny Antenimierampirenena no reasahana, nisy ilay tolo-dalàna fikasana hanome zom-pirenena Malagasy ny vahiny, ary mety hahafahana mividy tany eto amintsika avy eo, ahoana ny hevitrao momba an’io?

– AM: io moa ilay tolo-dalàna eo ihany, fa io tokony handalo sehatra maro vao tokony nalefa ilay tolo-dalàna izany, satria maro ny zava-mitranga eto Madagasikara izay iarahantsika mahafantatra, fa na tsy mahazo nationalité na zom-pirenena aza ny vahiny dia misy ny efa mirehareha mafy ary efa tsy refesi-mandidy mihitsy, ka io izany dia tokony haverina indray mandeha amin’ny vahoaka ny fandinihana momba an’io hoe: mety sa tsy mety amin’ny vahoaka Malagasy ilay izy.

– GNVV: ny lalana Rocaden’Iarivo notokanana ny alakamisy teo, milaza ny fitondrana fa izy ireo no nanao sy tena tompon-kevitra tamin’izany, miombon-kevitra amin’izay ve ny RMDM?

– AM: izy io izany raha ny tena marina dia fitohizan’ny raharaham-panjakana, efa tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana io no efa novolavolaina, nanomboka azy ny filoha Rajaonarimampianina, nanohy ary namarana ny filoha Rajoelina, ka io izany tsy ry zareo taty afara no nanao an’io fa niarahan’ny rehetra nanao io, ary ny tany aloha no tena namolavol sy tompon-kevitra taminy.

– GNVV: miresaka lalana izay ihany isika, potika ny RN2 amin’izao fotoana, ahoana ny amin’io?

– AM: tena ratsy ary anisan’ny tena ratsy ny lalampirenena faha-2, RN2 ankehitriny, ary tsy nisy entretien na fikojakojana mihitsy ary amin’izao fitondrana Rajoelina izao no tena nahitana an’io lalana io tena potika tanteraka ary ny tena mampalahelo dia ilay tandrify aty amin’ny faritra Atsinananaa aty mihitsy no simba tsy misy fikarakarana. Ary io tsy resaka RN2 ihany, fa ny RN5 koa dia tena mampiteny ny moana ny fahasimbany, raha miainga avy any Foulpointe, ka hatrany Fenoarivo Atsinanana, nefa maro ny vokatra tokony hivoaka avy any, be koa ny olona tokony hifanerasera eo, dia tena mitaraina ireo mpampiasa lalana noho izany.

– GNVV: manao ahoana kosa ny antoko TIM raha ny eto Toamasina, satria ny antoko TIM no anisan’ny lehibe ao anatin’ny vovonana RMDM?

– AM: ny tenako izany dia ao anatin’ny comité ad’hoc momba ny redynamisation ny antoko TIM raha aty Toamasina ary Toamasina dia anisan’ny nametrahan’ny birao nasionaly voalohany io rafitra io, efa mipetraka ny comité ad’hoc ny distrika arak’izay fanapahan-kevitra izay. Efa tafapetraka ihany koa io rafitra io amin’ny Boriboritany, izay miisa 5 izy raha ny eto Toamasina: Ankirihiry, Anjomà, Ambodimanga, Morarano ary Tanambao V. Ary izao koa izahay dia efa mametraka ny comité any amin’ny zone, izay atoko hoe ny 75% izany efa tafapetraka avokoa, hiditra izahay hanao ny fanisana any amin’ny fokontany amin’izay ao aorian’izaao 26 jona izao. Ankoatra izany, nisy koa ny asa sosialy izay nezahana natao ho an’izay azo nomena izany ho an’ireo mpiara-mitolona amin’ireo Boriboritany 5 ireo, nizaràna vary, ny fanomezana dia natao nialohan’ny fankalazana ny 26 jona teo.

– GNVV: nisy ihany ny olana anatiny tao anivon’ny antoko TIM teto Toamasina, efa niravona ve izay?

– AM: io moa ny olana tsy maintsy misy foana, fa ny tena amin’ny maha-mpitarika dia tsy maintsy mitady ny vahaolana ny amin’izany, fa misy ny sasany aloha dia somary mbola varimbariana ihany, io tsy ifanomezan-tsiny, satria nandalo ny aretina, nandalo ny fahasahiranana, dia izay afaka manao dia manao aloha, fa ny tarigetra dia ny hoe: “Team dynamic, TIM for ever”.