Tsy voafaritra mazava ny raharaha maika ho an’ny fitondrana

Sôh’son

Hizotra mankaiza ny firenena? Fanontanian’ny mpamakafaka ny raharaham-pirenena io manoloana ny firongatry ny valanaretina amin’ny andiany faharoa ankehitriny, izay hita ho mivatravatra fiavy tsy toy ny teo alohany, sy ny fihetsika miaraka amin’ny fepetra raisin’ny fitondrana. Tsy misy toromarika hentitra sy mazava azon’ny vahoaka raisina amin’ny fepetra ampiharina eto amin’ny firenena. Ny « ady » anefa ity miha-henjana hatrany satria mandavo olona maro isan’andro, ary tsy mitsaha-miakatra ny olona voany manerana ny faritra samihafa eto amin’ny firenena.

Etsy ankilan’izany krizy ara-pahasalamana miha-mivaivay izany, dia mbola mahita zavatra atao samihafa hanariana dia ny vahoaka ihany koa ny fitondrana. Anisany ny nandehanan’ny Praiminisitra tany atsimo, na ny hetsika ara-kolontsaina nizarana mariboninahitra ny mpanakanto fanta-daza eto amin’ny firenena. Tsy ratsy akory izany, fa ny ilain’ny vahoaka dia ny fifantohan’ny fitondrana tanteraka amin’izay hamahana izao olana ara-pahasalamana goavana izao, fa tandindonin-doza ny vahoaka.

Iaraha-mahita ihany ireny tsy fahatomombanana teo amin’ny lafiny fitsaboana niatrehana ny ady covid-19 ireny, sy indrindra teo amin’ny lafiny sosialim-bahoaka sy ny fitsinjovana ny vahoaka tao anatin’izany, izay tena nisy lesoka lehibe tokoa, ary tsy mbola nivaha tanteraka mandraka ankehitriny. Saika ny ampahany be amin’ny vahoaka mila fanampiana no niàla maina kanefa dia tsy namakiana loha akory hatramin’izao ary nodiana nikimpiana fotsiny izao. Tsy hita sy re na kely aza izay mba fihetsika na teny nanopaza-maso ireo voailika ireo.

Ny efa nisy tsy voavaha, izao indray manomboka misosoka miandalana ary mandrava ny krizy ara-pahasalamana, izay miara-dalana hatrany amin’ny fidangan’ny vidim-piainana andavanandro. Sahiran-tsaina ny ankamaroan’ny olom-pirenena amin’izao fotoana izao. Misy fiantraikany any amin’ny fahavitrihana sy ny fihariana izany ary tsy maintsy hipaka vaovao fanampiny indray any amin’ny toekarena. Ny vahaolana entin’ny fitondrana ao anatin’izany anefa tsy hita be ihany, ary tsy mampiraika ny olom-pirenena ho hahomby. Dia mifangaroharo sy mifamahofaho be ihany ny fandehan’ny raharaha. Sarotra ny haminavina ny hoavin’ny firenena ato ho ato.