Vaksinin’ny covid19 – Nanaraka ny tenin-dRavalo ihany Rajoelina mitavozavoza

Ny Valosoa

Vaksinin’ny coronavirus, tsy maintsy nanaraka ny tenin-dRavalo ihany i Rajoelina.

Ny 17 Martsa 2021 raha nivahiny tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja” ny Filoha Marc Ravalomanana dia namaky bantsilana ny fitavozavozan’ny fitondrana Rajoelina, amin’ny tsy fahasahiana mandray andraikitra , amin’ny fanafarana vaksiny.

Nanitrikitrika mihitsy ny Filoha Ravalomanana tao amin’ny “Miara-manonja” nanao hoe : “ity aho eto, fa tsy maintsy hanafatra vaksiny ireo ary hiverina hiresaka amin’ny Oms”.

Ny Sabotsy 20 Martsa 2021 dia namaly tamin’ny fandaharana tao amin’ny Tvm sy Rnm, Ingahy Filoha ary naveriny ny tenin’ny filoha Ravalomanana tamin’ny taon-dasa izay sahy niteny hoe tsy tokony isika malagasy no hanaovana andrana amin’ny vaksiny, fitiavana ny vahoaka malagasy izany, herintaona aty aoriana efa miova ny toe-draharaha, efa vita andrana tany ivelany ireo vaksiny isan-karazany, ny dikan’izany efa tsy tokony hihanahana intsony ny mpitondra. Ingahy Rajoelina araka ny efa nambara tamin’ny laharana farany teo dia mbola nanaraby hoe ny mpanohitra hono no atao vaksiny mialoha, mazava ny tenin’Ingahy filoha fa dia valinteny politika fotsiny izao sady valintenin’olona tezitra. Ireo mpikambana ao amin’ny Akademian’ny Mpitsabo anefa dia nanana fahasahiana nanambara, fa ireo mpiasan’ny fahasalamana no tokony homena ny laharampahamehana amin’ny fisitrahana ny vaksiny, izany no tena fomba fijerin’olona siantifika.

Na dia niedinedina fatratra aza Ingahy Filoha sy niziriziry, fa ny Cvo sy ny Cvo+ ihany no mety amintsika malagasy ary mbola nampiany koa ny hoe, tsy mbola misy vaksiny mahasitrana ny “variant” vaovao hono, ilay Cvo-n’Ingahy filoha anefa na ny koronaviriosy tamin’ny endriny taloha aza vitsy no sitrany mainka f’ilay “variant” vaovao, raha nahomby tanteraka ny Cvo dia tena nitodika taty tokoa ny mason’izao tontolo izao, fa saingy indrisy…

Fa ny zavadehibe aloha dia tsy maintsy nilefitra ihany Ingahy Filoha, ka hanafatra vaksiny ihany ny fitondrana, saingy tsy an-tery ny fanaovana azy, fa an-tsitrapo, na izany aza dia manantena ny vahoaka malagasy fa hisy ny mangarahara tanteraka eo amin’ny fitantanana izay vaksiny ho tonga eo, manomboka amin’ny fanafarana hatramin’ny fitsinjarana azy any amin’ny vahoaka.

Mendri-piderana ireo ao amin’ny Akademian’ireo mpitsabo nahavita nandresy lahatra ny fitondrana, nisy mihitsy aza ny fanetrentena avy amin’ireo manampahaizana, izay nanaiky an-tsoratra fa mbola ho ampiasaina ihany ny Cvo.

Voaporofo ankehitriny ny fahamarinan’ny tenin’ny Filoha Ravalomanana izay nahasahy niteny hoe: “tsy maintsy hanafatra vaksiny sy hiresaka amin’ny amin’ny Oms ireo”, tenin-dray amandreny mitsinjo ny ain’ny vahoaka Malagasy tokoa izany. Hafa ihany i Dada!