Fambolen-kazon’ny mpitondra – Nisy ireo mpiasa amin’ny minisitera sysampan-draharaham-panjakana noterena

Andry Tsiavalona

Mihazakazaka mankany amin’ny fanerena ny zana-bahoaka, nisafidy ny asa fiarovana tsy ny Firenena ihany fa ny vahoaka sy ny fanany koa, hivadika ho herim-pamoretana ny mpiara-belona sady mpiray firenena aminy.

Raha ny zava-nisy ny faran’ny herinandro lasa teo dia toa tany miady sy misy fanafihana avy any ivelany. Toa manamarina fa misy mpikarama an’ady tafiditra tokoa eto, ka tsy maintsy miatrika am-bavabasy ny foloalindahy. Toy ny tamin’ny fitsangatsanganana nataon’ny “Miara-Manonja” no nataon’ny foloalindahy teto an-drenivohitra kanefa heverina, fa tamin’iny fotoana iny dia ny natahoran’ireto foloalindahy ireto dia ny mety ho firongatr’ireo resy lahatra nandeha tamin’iny fitsangatsanganana iny izay mety niverina teto an-tanàna, fa tsy nandeha namonjy ny tokantranony.

Tsy nisy antony nanaovany ireny fandanian’andro ireny anefa tamin’ny sabotsy satria tsy nisy nanakantsakana ny fitsangatsanganana nosaronana tamin’ny fambolen-kazo nataon’ny mpiara-dia amin’ny fitondrana. Raha ireo mpomba ny mpitondra tokoa mantsy no nosakanana dia azo antoka fa ny tranga tamin’ny 2009 no niverina kanefa efa azo antoka ihany koa, fa tsy nanao izany mihitsy ireto mpanatanteraka baiko fa tsy nahazo izany. Dia manoratra indray ny mpanao gazety mirona amin’ny fotokevitry ny mpitondra, fa “nihena ny mpanaradia ny mpanohitra” satria, angamba, lasa namonjy fambolenkazo daholo ireo nandeha tany Imerikasinina rehetra.

Fiainana eo amin’ny sehatra politika izany saingy tsy mitondra na hahatanteraka ny fampandrosoana ny Firenena izany. Fifaninanana tsy tokony natao izany saingy nataon’ny mpitondra nentina nilazana fa manana vahoaka ihany koa ry zareo. Raha ny vaovao anefa dia mpiasa any amin’ny minisitera sy ireo sampan-draharaham-panjakana no noterena nandeha nandeha tany amin’io fambolen-kazo io. Raha fiarovana ny vahoaka sy ny fananany tokoa no ataon’ny foloalindahy dia haparitaka any ambany ravinkazo rehetra any izy ireo hanafoana ny asan-dahalo, fa tsy hiambina vavahady sy toerana malalaka rehetra an-tanàn-dehibe no ataony. Tsy atao herim-pamoretana amin’ireo mpitokona, mpianatra, mpiasa isan-tokony, mitaky ny zony ihany koa fa ny fanenjehana ireo mpanao sinto-mahery sy mpamaky trano an-tanàn-dehibe no sahaniny, mba hanjaka ny fandriampahalemana ary iaina am-pilaminana sy am-patonian-tsaina ny mponina.

Noho ny antony ara-politika ihany koa ny fampihorohorohana sy fisamborana atao amin’ny mpanohitra kanefa tsy mahavaha ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena mianjady amin’ny vahoaka izany. Raha olona iray na roa ihany koa tsy tokony hatahorana satria tsy afaka hanongana ny mpitondrana eo amin’ny toerany velively. Angamba, tsy tokony ahitàna ireny sarety sy posiposy na mivarotra na mitatitra entana ireny eto an-drenivohitra, kanefa ireny aloha no ahafahan’ny olona mivarotra satria tsy afaka na tsy hahazo alàlana hanorina trano hanaovana izany izy ireny, andaniny, ary ankilany dia ireny no takatry ny fahefa-mividin’ny mponina itaterana entana. Terena hampidinina ny vidin’ireo kojakoja ilain’ny mponina andavanandro kanefa tsy avy amin’ny mpivarotra no mahatonga ny vidiny hiakatra, fa ny mason-karena nentina namokarana azy no ambony, ka ny fampidinana ny vidiny dia hiteraka fatiantoka ho an’ny mpamboly sy mpivarotra kanefa ny mpitondra tsy hameno ny elanelana amin’izany velively. Tsy misy tetikasa mirona any amin’ny sehatry ny famokarana ny an’ny fitondrana hatramin’izao, fa mampirevy ny marivo salosana amin’ny sakafon’ny maso no laharam-pamehana aminy. Tsy hitondra vahaolana ihany koa ny fanenjehana sy fampitahorana ny mpanohitra, satria hiteraka fankahalana izany satria tsy maintsy ao an-tsaina mandrakariva, fa olon’ny fo ny Malagasy, ka na olona heverina fa tsy tiany aza kanefa hiharan’ny tsy rariny dia hampitobaka ny kapoakany izany.