Pety sy Rabemanantsoa J. W. – Nodakan’ny HCC ambavafo

Isambilo

Nodakan’ny HCC na ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ambavafo, izay no azo ilazana ny fitoriana nataon’i Pety Rakotoniaina sy ny HFI (Hetsika Fanorenana Ifotony), sy ny nataon’i Rabemanantsoa Jeannot Williams. Nolavin’ny HCC avokoa mantsy ny fitoriana nataon’izy ireo.

Ho an’i Rabemanantsoa Jeannot Williams dia fanafoanana ny fifidianana no nangatahany noho ny tsy fahafenoan’ny fepetra hanatanterahana ny fifidianana ho avy eto amintsika io. Nambaran’ny HCC fa tsy azo raisina ny fitoriana, nambaran’ireo mpitsara avo etsy Ambohidahy fa ny filohana andrimpanjakana ny vondrom-bahoakam-paritra ihany no mahazo mitory toy ny nataony.

Ho an’ny fitoriana nataon’i Pety Rakotoniaina sy ny HFI indray dia fitoriana ny filohan’ny mpanongam-panjakana Andry Rajoelina, noho ny tsy mampazava ny loharanom-bolany no anisan’ny nitorian’izy ireo azy. Tsy azo raisina ihany koa ny fitoriana hoy ny HCC satria araka ny nambarany teo aloha ihany, ny filohana andrimpanjakana, na ny vondrom-bahoakam-paritra ihany no afaka manao ny fitoriana toy izay napetraka.

Raha ny fahitan’ny mpanara-baovao izao fanapahan-kevitra noraisin’ny HCC izao dia mampiseho fa tsy miraharaha ny olon-tsotra sy ny vahoaka ity andrim-panjakana ity. Ny vahoaka anefa no tompon’ny fahefana, ka mitsipa-doha laka-nitana izany ny etsy Ambohidahy hoy ny maro.

Izany dia mampitombina ny ahiahin’ny maro amin’ity HCC ity, izay hita fa miandany tanteraka, tsy mampihàtra ny lalàna tokony hihàtra.