Raharaham-pirenena – Loza mihantona ho an’ny fitondrana Rajoelina ny ratsy ataony

Andry Tsiavalona

Miverina toy ny tany amin’ny folo taona lasa indray ny fitantanana ny Firenena amin’izao fotoana izao. Tsy dia mahagaga loatra izany satria Rajoelina Andry no filohan’ny tetezamita ary tsy misy zavatra sarotra toy ny manova fomba fisainana sy fomba fanao ary fomba fiainan’ny olona iray, ka nahatonga ilay fitenenana “tànana zatra nitsotra, tsy azo havokona intsony”. Raha tsiahivina dia ny volana septambra 2010 no nanaovana ny fitsapankevi-bahoaka nandaniana ny Lalàmpanorenana iainana amin’izao Repoblika IV izao.

Làlampanorenana nalain-tahaka tany amin’ny firenena iray any ivelany izy io, ka nesorina tsy ho vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eny ifotony intsony ny Fokontany, fa ny Kaominina no nampidinina ho amin’izany rafitra izany. Araka izany dia ny lehiben’ny Distrika ambaratongam-pitantanana ara-panjakana no manendry ny sefom-pokontany izay nofidian’ny mponina mivantana tany aloha. Araka ny Lalàmpanorenana ihany koa anefa dia fidian’ny mpifidy lehibe (grands électeurs) ny lehiben’ny Faritra kanefa dia novaina ho governora tendrena eo amin’ny filankevitry ny minisitra izany. Tsy anisan’ny vondrom-bahoaka itsinjanram-pahefana ihany koa ny faritra.

Miely ny vaovao amin’izao fotoana izao, fa hisy fikitihana ity Lalàmpanorenana ity indray, ka hanaovana fitsapankevi-bahoaka izany. Araka ny fantatra dia ny isan’ny loholona no hahena ho 18 ny isany, roa isaky ny faritany, raha 63 izany amin’izao fotoana izao. Mazava be ny teti-dratsy izay te-hametraka maro an’isa ao amin’ity rafitra ity toy ny ao amin’ny antenimieram-pirenena ny antoko eo amin’ny fitondrana, ka hanjaka tokana toy ny any amin’ireo firenena tatsinanana, Korea Avaratra,Sina, sns…, ka ho didy jadona no hanjaka eto amin’ity Firenena ity.

Raha izay no halalinina dia hiverina any amin’ny taona sivifolo izay nirodanan’ny rindrin’ny henatra tany Berlin ny eto Madagasikara. Nanomboka teo no nitsoka ny “Rivotry ny Fiovàna” (wind of change) maneran-tany, ka voatery nampihàtra ny demokrasia ireo firenena nisy fitondrana jadona. Amin’izao fotoana izao dia mihoa-pefy, manitsakitsaka lalàna ny mpitondra tarihan’ny filoha Andry Rajoelina, ka na ny rafitra mpanao lalàna aza dia mandika izany, tsy vao izao fa nanomboka tamin’ny fandraisany ny fitantanana ny Firenena. Toy ny tany amin’ireo firenena voalaza etsy ambony ireo dia manao sarika am-pandriana sy mampiditra am-ponja ireo heveriny fa tsy mitovy hevitra aminy ny manam-pahefana eto amin’ity Firenena ity. Firenena vitsy eto ambonin’ity planeta ity sisa no mbola manome taom-piasana fito ho an’ny filoham-pirenena fa na dimy na efatra taona ihany izany. Ny eto mbola te-hiverina amin’izany sady te-hanjaka tokana any amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra.

Tsy vitan’izany fa na dia nanao teny filamatra “ny fitiavana no lehibe indrindra”, andinin-tsoratra Masina aza Rajoelina Andry dia fankahalana no ao an-tsainy. Tsy azo hafenina intsony ny filana antsojay sy fisotasotana atao amin-dRavalomanana Marc. Mahatsapa izao fitondrana izao fa mirona any amin’ny fanoherana ny ankamaroan’ny antoko politika sy mpanao politika kanefa dia Ravalomanana Marc no filohan’ny mpanohitra, ka toa ho ratsy ny fitantanana dia izao mibirioka any amin’ny làlan-tsarotra ivoahana izao indray. Tokony ho ao an-tsaina mandrakariva anefa fa tsy Ravalomanana Marc velively no mitondra faisana fa ireo mpiasa ao amin’ny orinasa, ka hitombo indray ny tsy an’asa izay hanatevin-daharana ireo sahirana ara-pivelomana, mananontanona ny fipoahana ara-tsosialy. Raha ny marina ary araka ny “Tondro Zotra” tamin’ny tetezamita izay ireo manampahefana amin’izao fotoana izao no nitantana ny firenena dia anisan’ny notakiana taminy ny fanonerana ny fahavoazana nateraky ny fandrobana sy fandorana ireo orinasan-dRavalomanana Marc ny taona 2009. Tsy ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo teo aloha velively no hianjeran’ny hatezeran’ireo mpivarotra eo amin’ny “pavillons” kasain’ny ben’ny tanàna, Naina Andriatsitohaina, harodana fa izy izay manitsakitsaka ny lalàna amin’ny tsy firaharahiana ny fifanarahana nifanaovan’ireo mpivarotra sy ny fiadidiana ny kaominina teo aloha.

Mety ho fanehoan-kery araka ny iheveran’ny fitondrana azy izao sotasota izao kanefa raha ny marina dia ny mifanohitra amin’izany ny fahitana izany satria ny ratsy atao “LOZA MIHANTONA”.