VAVAKY NY JIOLAHY: MERCI PREZIDA !

Na dia maro ireo tsy nety sy hadalanay tao ho ao,
Dia indro ianao prezida fa niaro sady tsy nandao,
Ka dia nandeha, nisosa ery ny bizina ary koa ny afera.
Dimy volana izahay dia lasa miliaridera!

Ny hetahetanay dia tsotra : aleo hitohy ny fihibohana,
F’eo ianao prezida hiaro hatrany sy hanohana.
E! ny maro taminay , jereo fa efa nihanatavy,
Tena voky risoriso hatramin’ny zanak’anabavy!

Ny nanodinkodim-bola, hatreto aloha dia afa-maina,
Fa novoizina ny hoe: ny fitoniana no ilaina.
Raharaha “bonbon sucette”, tsy efa nohadinoina va?
Ka hoy ‘zahay miteny hoe: merci prezida!

Mino marina izahay fa tsy ho any am-pigadrana,
F’ao anaty fihibohana, azo ovàna ny lalàna,
Ka ny “tratra ambodiomby”, mbola azonao amboarina,
Mba ho afaka madio sy kilasiana ho olo-marina!

…Koa dia satry foana hitohy ity “fihibohana malaza”,
Fa voaaronao ‘zahay na ratsy sy tsy mendrika aza!
Soa fa nisy ilay aretina , ‘lay atao hoe “corona”,
K’aleo hiredona izahay hoe: merci prezida!

TSIMIMALO (03-09-20)