MITAONA ANAY MBA HIDI-TROSA ?

Mitaona anay mba hidi-trosa, izany indray no tetikady
Fa dia tena tsy nahita vahaolana mandaitra?
Sa potehina mihitsy tsy hitraka fa handady
Iretsy mpiasa marobe izay efa tojo ny mafaitra?

Mora anie ilay hoe mitrosa saingy ny mamerina azy
Dia tsy mora toy izany ka hitera-panenenana.
Sa ’nareo mpitondra ireo no ’ndeha hiantsoroka ny sazy,
Raha sahirana izahay ka sarotra ny famerenana?

Olon-dresy sy mahantra ve no taomina hitrosa?
(Izany ve tsy hadalana hita be mivandravandra?)
Sa vizanina mihitsy mba ho reraka sy osa,
Iretsy mpiasa marobe,voaroaka na koa “very kandra”?

Sao dia tena tsy voadinika, sao dia tena tsy voasaina
Izany rehetra rehetra izany ry mitonona ho mahay?
Sa ’nareo no efa voky ka dia kamo sy malaina
Ny hanome tsy misy tambiny, “vatsy tohana” ho anay?

TSIMIMALO (27-08-20)