ENY MANDRA-PAHOVIANA ?

Eny mandra-pahoviana re ‘nareo vao hiongana eo,
Fa tena tofoka izahay no sady boboka sy leo.
Tsy misy zavatra manjary ny tontolo izay jerena,
Fa mikororosy hatrany, potika ny firenena!

Ireo izay olona najoro, indrindra ireo vao notendrena,
Dia manohy ny hadalana, mampiseho fitiavantena.
Risoriso no miseho, manjaka ny kitranoantrano.
(Sa dia tena hoe izany no ao anaty “velirano “ ?)

Mba manova, saingy indrisy, toa ny tsara no nesorina,
Ary manamafy seza ny efa maimbo sy lomorina,
Ka vao mainka avo vava sy mirehaka aok’izany.
Izy,hono, no mitondra ka dia hoe “izay tiany ihany”!

Toa mitohy tsy misy fetra ilay atao hoe “fahamehana”,
Mba hiarovana ’ty sambo efa eo an-dalam-pilentehana,
Ka hazaina ny mpanohitra izay toa miha-mahazo vahana,
Ary dia tampenam-bava, tsy omena fahafahana.

Eny rahoviana, hono, hoy ny feo somary farina,
’Zato ianao ry Gasikara vao hitraka sy hiarina?
Mila havadika ny pejy, mila miova koa ny sary,
F’efa tena mankaleo ’ty “fitondrana tsy manjary”!

TSIMIMALO(26-08-20)